Fampandrosoana ny kaominina

Misy fomba fiasa mahomby kokoa handaminana an'Antananarivo


  • Talata 07 Mey 2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

tamin'ny ben'ny tanàna sy mpanolotsaina niditra tao amin'ny lapan'ny tanàna tamin'ny 2020. Ary efa hatry ny ela .Natao ny tetikasa produir, himo, nalefa tanaty tatatra ny zandary, miaramila, efa misy ny APIPA, ny PIAAA, ny Agetipa, ny AFD, sns. Fa dimy taona aty aoriana mbola mitovy foana ny mampahory ny vahoaka.Misy mpanao politika kandidà sahy mampanantena fa hitroka itsy dalle na iroa lakandrano iroa BE LOATRA NY MPONINA ETO Ho an'i Toavina Ralambomahay kandidà depiote laharana faha 6 ao Antananarivo I dia ny isan'ny mponin'ny renivohitra mihitsy no be loatra. 5 tapitrisa amin'ny andro fiasana ary 2 tapitrisa amin'ny fialan-tsasatra. Be laotra izany ny rano maloto sy fako manentsina etsy sy eroa, tena tsara ary tokony atao ny manadio saingy hiverina foana ny olana.Tena andraikitry ny kaominina sy ny ministera ny fanadiovana fa tsy an'nysolombavambahoaka. Anisan'ny hilatsahan' Toavina R ho solombavambahoaka dia ny fahitana fa mila miara miainga ny faritra sy ny faritany rehetra eto Madagasikara fa tsy Antananarivo irery. Manjary tsy misy mijanona na mivaoka ivelan'Antananarivo ny olona.
TETIKA MAHOMBY KOKOA
Fahatelo, misy tokoa ny vola be omena ny solombavambahoaka. Tsy tena mety moa izy io fa satria efa eo dia ampiasaina. Ka ny traik'efa ao amin'ny kaominina dia mampianatra ny fomba ampiasana an'azy io. Azon'ny depiote atao ny manangana fotodrafitrasa ka mifanaraka amin'ny ben'ny tanana sy ny filankevitry ny tanàna hoe atao petrabola anatina orinasa io vola io. Io orinasa io dia hanodina fako na rano maloto ho entona na pavé autobloquant, na zezika. Maharitra kokoa izany noho ny tetik'asa amin'izao. Tsy kobaka am-bava io fa efa misy saingy tsy ampy. Tanjona koa ny tsy andehanan'ny fako eny Andralanitra intsony satria efa hipoka eny. Mamorona asa ihany koa izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT