FAMPANDROSOANA NY FIRENENA

Miantso ny rehetra hiray hina ny Antoko


  • Talata 05 Desambra 2023

Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,

tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Izay asa rehetra notanterahiny hatramin’izay raha tsiahivina dia tsy nisy loko politika fa ho an’ny tombontsoam-bahoaka hatrany. Ny mba hahafahana mamoaka ilay fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny tsirairay no tanjona ka hitondran’ny isam-batan’olona izay anjara birikiny ho tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Ankehitriny dia miantso ny firaisan-kinan’ny rehetra indray ity antoko politika ity mba hifanome tanana sy hiray hina amin’ireo karazana hetsika ho enti-mampandroso ny firenena, arakaraky ny talentany avy. Efa lalan-tsaina napetraky ny antoko Fanorolahy raha tsiahivina izany fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena izany. Anisan’ny asa goavambe notanterahin’izy ireo tamin’ny 01 Desambra taona 2019 ohatra ny fanadiovana ireo fako miparitaka teto Antananarivo, raha tsiahivina. Nangataka fitaovana sy tolo-tanana tamin’ireo tsara sitrapo izy ireo nandritra ka nahazo fitaovana maro tokoa toy ny kamiao….Tsy nijanona teo izany fa nisy ihany koa ny fanampiana ireo tsy manan-kialofana teny ambany tonelina izay nomena sakafo sy fitafiana. Ankehitriny mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’izy ireo any ambanivohitra hanasoavana ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ilay toe-tsaina Fanorolahy, toe-tsain’olona mpandresy.
Pati
Legende : Randrianary Jose, filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy, mampianatra hatrany ny mpiara-belona amin’ny fitiavan-tanindrazana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

Hijery ny tohiny
FTT