Politique

Fampandrosoana Mifampiankina ny toekarena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena


  • Zoma 23 Septambra 2022

Azo lazaina ho mbola mifehy ny toekaren'izao tontolo izao ireo firenena miisa 8 matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany ao anatin’ny antsoina hoe G8.

Eo I Frantsa, izay heverina ho tompon-kevitra hatrany amin’ireo hevitra tapaka ao anatin’izany ary azo lazaina ho lohalaharana amin’ny fahaiza-mandresy lahatra sy diplomasia ihany koa saingy any amin’ny lafiny fananana harena voajanahary no hita ho tena hahavoazan’ireo firenena 7 ambiny azy dia i Etazonia, Royaume Uni, Rosia, Japon, Alemanina, Italia, Kanada.

MIFAMPIANKINA
Eto no ahitana fa mifampiankina ny toekarena sy ny fifandraisana iraisampirenena raha fampandrosoana no resaka. I Frantsa sy Royaume Uni dia samy mpanjanantany ary samy manana rafitra itazonany ny heriny sy tanjany. Tsy toekarena sy politika fotsiny fa kolontsaina ihany koa. Ireo mpahaififandraisana dia mahalala ny raikipohy sy paikadin’izany Don Juan izany na ilay antsoina hoe “Soft power”. Fomba fiady malefaka, hoy ny malagasy. Manoritra ny tondrozotra ara-toekarena sy ara-politika io. Miisa 6 tany am-piandohana ireo firenen-dehibe nifehy toekarena maneran-tany ireo fa niditra i Kanada ny taona 1976 ary i Rosia ny 1998. 15%n'ny mponina eto ambonin'ny tany eo ireo ary mifehy ny 65%n'ny harinkarena na PIB, izany hoe 2/3n'ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany. Ny taona 2009 kosa, nandritry ny fihaonana an-tampony tao Pittsburgh na “Sommet de Pittsburgh” no najoro ny G20, izany hoe ireo G8 dia niampy an'i Afrika atsimo, Arabia Saodita, Argantinina, Australia, Brezil, Meksika, Torkia, ny vondrona eoropeanina.
TAHIRIM-BOLAMENA
Tahirim-bolamena maneran-tany mitentina 34.000 taonina indray no fehezin’ireo ka ny 1/4n’io, izany hoe, 8133 taonina dia any Etazonia. Ny 2800 taonina an'ny FMI na tahirim-bola iraisampirenena. Etazonia, Alemanina, Italia, Frantsa, Sina moa no firenena miisa 5 voalohany manana tahirim-bolamena betsaka indrindra eran-tany.

MIVONDRONA
Taorian'ny ady lehibe faharoa, ny firenena mikambana na ONU sy ireo karazam-pikambanana dia nanao asa sy tanjona ilay hoe mivondrona. Pasipaoro 1, vola 1, visa 1, fepetra ara-toekarena iombonana, fifanakalozana ara-barotra natao mora sy haingana kokoa. Ireo matanjaka no tena nahazo tombony. Nijanona ho mpanome akora ireo tany mahantra sy an-dalam-pandrosoana. Natsangana etsy sy eroa ny fifanarahana ara-barotra. Amerika, Eoropa, Afrika, Azia sy ny hafa rehetra dia mifampidipiditra eo.
NY MATANJAKA NO MANDIDY MANAPAKA
Izay matanjaka ara-toekarena sy ara-tafika, ara-politika ary mahafehy ny serasera no manana ny fahefana sy mifehy. Ireo no manoritsoritra hoe izao sy izao indray. Ry zareo aza moa efa 50 taona izao no niezaka nifehy ny any ambony tsy takamaso any. Izay miha misandratra dia alainy namana sy hifanakalozany ara-barotra, raha sanatria manao be mokondoha moa dia toa mikorontana sy miady tampoka izany ilay firenena dia potika avy eo. Hita izany tany Iraka, Syria, Libya. Tsy vahaolana ny miady fa mila matanjaka sy mahay miady varotra kosa any anaty fifampiraharahana fa tsy hoe manaiky ambakaina na sodokan'ny vahaolana vonjitavanandro fotsiny. Ny fifampiraharahana anefa dia mitaky hoe misy fivoarana azo tsapain-tanana ao amin'ilay firenena, misy fitoniana, mazava tsara ny lalàna, voafehy ny fandriampahalemana, manana tohan-kevitra mafonja be izay delegasionina hiresaka ary mazava ny vina sy fandaharan’asa hampandrosoana ny firenena. Hindram-bola ve? Hiantso mpampiasa vola ve? Hanao inona? Firy volana sa firy taona? Inona no maridrefy ampiasaina? Mila fianarana sy fahendrena koa, araka izany, ny diplaomasia tokony apetraka satria ny krizy maneran-tany dia isany ny eo amin’ny lafiny angovo, vola, politika. Izany hoe tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fiainana eo amin’ireo lafin-javatra ireo saingy ny eto Madagasikara moa mahagaga fa dia mbola sahin’ny mpitondra ny milaza fa tsy misy krizy eto.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT