FAMPANDROSOANA AN’AMPITATAFIKA

Hanohy ny lalany i Rado Ramparaoelina…


  • Talata 24 Septambra 2024

Tongotra mby an-dakana ny an-dRamparaoelina Rado sy ireo mpanolontsaina miisa 10

miaraka aminy amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tontosa soa aman-tsara omaly Alatsinainy 23 Septambra ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana nataon’izy ireo tetsy amin’ny OVEC 67 ha, izay nosoloan-dRasolofonirina Fanomezantsoa Eric, mandataire-ny tena. Nambaran’ity farany tamin’ny mpanao gazety fa tena zava-dehibe ho an’ny Kaominina Ampitatafika ny fisian’izany mba hahafahana manohy ny asa fampandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Olona tia fampandrosoana rahateo ny Kandida Rado Ramparaoelina raha araka ny fanazavany no sady tena akaiky ny vahoaka. Ireo minia mikipy ihany hoy izy no tsy mahita na tsy mahalala ny asa fampandrosoana tanterahiny. Notsiahivin- dRasolofonirina Fanomezantsoa Eric moa fa tena nanano sarotra tokoa ny fikarakarana ny antontan-taratasy notakian’ny fanjakana tamin’ireo mpilatsaka hofidiana indrindra fa ny hetra izay nisy volabe tsy maintsy naloa tokoa. Na izany aza anefa hoy izy dia vita soa aman-tsara ihany izany noho ny Kaominina Ampitatafika mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny zava-drehetra.
Pati
Legende : Rasolofonirina Fanomezantsoa Eric, mandataire-n’ny Kandida Rado Ramparaoelina sy ireo ekipa tonga teny amin’ny OVEC omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT