Politique

Fampandrosoana an’Antananarivo Renivohitra Resy lahatra i Afrika Atsimo


  • Zoma 20 Novambra 2015

Niarahaba sy nirary soa amin’ireo adidy masina miandry ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra vaovao Lalao Ravalomanana teny amin’ny toeram-piasany omaly nisolotena ny governemantany ny masoivoho afrikanina miasa sy monina eto Madagasikara Gert Grobler

 

. Resy lahatra moa ity farany ny amin’ireo asa fampandrosoana ny tanàna sy ny fampivoarana ny mponina ao aminy hotanterahan’i Neny sy ny ekipany.

Ho avy tsy ho ela

Matanjaka ary hihamafy hatrany ny fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy teo aloha eo amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara, hoy ny ambasadaoron’ity firenena mpifanolo-bodirindrina amintsika ity. Marobe tokoa ireo delegasionim-panjakana na avy amin’ny sehatra tsy miankina no maniry fiaraha-miasa amin’ny firenena Malagasy, indrindra ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ho avy tsy ho ela rahateo izy ireo hanatona ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, araka ny fanamarihan’i Gert Grobler izay handao afaka fotoana fohy an’i Madagasikara. Hiompana amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny roa tonta izay nifampidinihan’ny an-daniny sy ny an-kilany tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Voaresaka tamin’izany sahady ny fanatontosana ireo tetikasa mahakasika ny trano fonenana, ny fandrindrana ny firafitry ny renivohitra, ny rano, ny fahadiovana, ny fifehezana ny loto, ny filaminana sy ny maro hafa.

Voaasa ho any Pretoria

Nisongadina manokana ny hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny renivohitr’i Madagasikara sy ny renivohitr’i Afrika Atsimo. Maniry mafy moa ny mpitantana ny tanàna ao Pretoria ny hirosoana haingana amin’izay fiaraha-miombon’antoka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay, araka ny hafatra nampitain’ny masoivoho afrikanina tatsimo tamin’i Neny. Manamafy izany ny fanasana azon’ny Ben’ny Lalao Ravalomanana hitsidika any an-toerana hifampidinika sy hanatanteraka avy hatrany ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny renivohitry ny firenena roa.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT