Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.
Tsy maintsy jerena ireo olona afaka hamorona asa ho an`ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra. Antony, midonanam-poana ny olona eto Antananarivo ka lasa mangalatra, mivarilavo, tsy an` asa… Ny fivelaran`ny renivohitra ihany koa dia singa iray tsy ahafahana mandroso satria mihatery ka naleon`ny olona misisika eto. Sarotra kosa ny monina eto Antananarivo noho ny toe-tsain`ny fiarahamonina. Ngeza be koa ho an`ny fampandrosoana ny lafiny vahoaka. Voaresaka tato ho ato ny fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra. Maro ireo tanàna heverina fa ambanivohitra eto Madagasikara kanefa kolontsaina mihitsy ny fahadiovana ary tsy ahitana fako mivangongo izany mihitsy satria iainan`ny mponina. Tsy voatery miandry fanjakana izy ireo fa tena manao ary mirindra. Ny fandrosoana dia miainga avy amin`ny tsirairay ka rehefa samy zatra ny fahadiovana ny olona dia miroso. Eto Antananarivo Renivohitra anefa dia tsy mbola ao io toe-tsaina io fa samy manary eny an-dalana eny daholo. Rehefa hitady fahadiovana nefa izy ireo ihany no mpandoto. Antananarivo no renivohitr`i Madagasikara ary natao ho maodely saingy na ireo toerana manan-tantara toy ny Lac Anosy, Avenue de l`Independance,… aza feno maloto ary miaina anaty gaboraraka. Tototra fako sy loto ny lakandrano famatsiana rano ho an’ireo fambolena eny amin’ny faritra Ankasina, Andohatapenaka I sy II kanefa dia mamokatra sakafo hohanina novatsin’ity lakandrano ity. Tokony hofadiana ihany koa ny manasa lamba sy ny manary maloto any anatin’itony lakandrano itony.Ny arabe aza moa eto Antananarivo dia feno sarety sy posy. Na manao ezaka goavana aza ny mpitondra sy ny fiadidian`ny tanànan`Antananarivo kanefa tsy hain`ny vahoaka miara-monina eto no mamerina ny soatoavina nisy hatramin`izay sy mifanome tanana amin`ny fanadiovana ny tanàna, eny isaky ny fokotany dia zava-poana izany. Manan-danja ny fandraisan`ny vahoaka andraikitra eny anivon`ny fokotany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.