Fampandresena ny IRMAR resy

Toerana maro misy rotaka sy lonilony lalina…


  • Zoma 24 Janoary 2025

Tsy eto Antananarivo Renivohitra ihany no misy fifanolanana sy olana ara-pifidianana,

fa toerana maro manerana ny Nosy. Saika hitovizany ny fitsimbadihana voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF, na fanafoanana fifidianana mihitsy. Ny itovizany, dia saika fampandresena ny IRMAR ny ankamaroany. Nangotraka ny fihetsiketsehana tany Betroka ny alarobia teo rehefa nitsimbadika ny vokatra, ka ny kandidan’ny IRMAR nahazo vato 892 na 23,39% indray no lany ho ben’ny ary lasa resy ny kandidan’ny GJMP antokon’ny depiote Nicolas Randrianasolo izay nahazo 949 na 24,97%. Nampitolagaga ny vokatra tao amin’ny Kaominina Ambodinonoka Rangalana ao amin’ny distrikan’i Vatomandry satria nofoanana ny vato 913 nanome salan’isa 74,41% azon'ny kandida tsy miankina Solonirina Ornella, ka ny kandida IRMAR Andrianirina Jeacques Dieudonné tsy nahazo vato afatsy 313 na 25,59% no lasa ben'ny tanana raha ny voka-pifidianana ofisialy ny alarobia teo. Mitovy tsy misy valaka amin’io ny tranga tao Antanambao Mahatsara anatin’ny distrikan’i Vatomandry ihany, hoy ny fanamarihana. Tany Nosimena distrikan’i Miandrivazo, nosamborina tampoka tao an-tranony ny kandida Rasoanaivo Andonirina. Nandresy tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI, saingy notorian’ny kandida IRMAR kanefa nahazo rariny ity kandida tsy miankina ity. Voalaza fa tsy mitombina ny fitorian’ny volomboasary. Nivoak anefa ny voka-pifidianana ofisialy, ka nivadika ho ny IRMAR indray no nandresy. Samy gaga ny rehetra, ary mitaky fanajana ny safidim-bahoaka. Dia io nosamborina io ilay kandida tsy miankina, ka takian’ny vahoaka ny hamoahana azy tsy misy hatak’andro. Ny tany Andohanilalakaka, nitarika tamin’ny elenelam-bato 738 i Rakotonirina Jean Pierre kandida tsy miankina, saingy notorian’ny kandida IRMAR kosa ity farany, ka dia izao niafara amin’ny hoe hamerenana ny fifidianana izao. Nofoanana ny vato tamin’ny birao fandatsaham-bato 19 amin’ny 34 avy eo ny fifidianana manontolo rehefa nandresy Rakotonirina Jean Pierre na kandida tsy Miankina Ranirina Tsy Ambara Fa Hay lahara nahazo vato 2793 (50,70%), notorian'ny kandida Irmar laharana 1 Ratsimanotry Razafiarison nahazo vato 2055 (37,30%). Nafampana ny hetsika ny fiandohan’ny herinandro teo. Resy ny IRAMAR amin’ireo tranga ireo dia ampandresena na averina ny fifidianana fa mba misy mifamadika amin’izany ve hoe : mandresy ny IRMAR dia misy fifidianana averina ? Mbola raharaha hafa ny lonilony teto Antananarivo, ny fampanginana sy famoretana amin’ny basy ao Toamasina I izay mety mbola hangotraka, ny fanenjehana sy tetika hanagadrana ny ben’ny tanàna lany ao Antsiranana I,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT