Sarotra ny hino fa tsy niniana ho atao mihitsy izay handaniana lalàm-pifidianana kitoatoa tamin’ity indray maka ity raha mihaino ireo fanehoan-kevitra marolafin’ny mpitondra sy mpanara-dia ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara.
Mahalasa saina ihany, ohatra, ny fanazavana nomen’ny solombavambahoaka avy amin’ny Tiako i Madagasikara, Hanitra Razafimanantsoa, fa nandritry ny fivoariana parlemantera voalohany teny Tsimbazaza dia 2 andro vao lany ny andininy miisa 4. Nahagaga anefa fa ora 4 monja tamin’ny fiafaran’ny fivoriana no nandaniana ny andininy faha-244 ka hatramin’ny 246. Fomba ahoana tokoa ary no nandresena lahatra « solombavambahoaka » na dia hoe nisy vola be tokoa aza hanaiky hampanofa tany mba tsy hilazana hoe hivarotra tany an- jatony hekitara maromaro amina teratany vahiny mandritry ny 30 taona ? Na dia izay fotsiny aza fa mbola tsy asiana ilay resaka fanavaozana. Ny mahagaga dia ny maheno hoe efa nisy nomena 3000 ha mihitsy, araka ny nambaran’ny depiote MAPAR, Tinoka Roberto. Izany hoe, tanim-poko iray manontolo. Mipetraka ny fanontaniana sy ny ahiahy manoloana izany hoe sao dia niniana natao kitoatoa mihitsy ilay lalàna mba hampitarazoka ny fifidianana, ka hitombona ihany ilay hoe amin’ny may 2019. Raha ny lojika dia natao handaminana fiarahamonina ny lalàna saingy ity aloha toa hita ho mampizotra azy any anaty korontana hatrany. Sa ve ho toy ny an’ny filoha Kongoley, Joseph Kabila, mihitsy no ho atao filamatra ka na dia efa tamin’ny septambra 2016 aza no tapitra ny fe-potoam-piasana dia mbola filoham-pirenena ihany ity filoham-pirenen’i RDC ity hatramin’izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.