Fampandaniana an’I Tahina Razafinjoelina

“Vonona tanteraka ny FTT Boriborintany faha-4”


  • Zoma 08 Septambra 2023

Efa maro ny hetsika nataon’ny FTT na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ho an’ny boriboritany fahaè4, hoy ny tomponandraikitry ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT eny amin’ny boriboritany faha 4,

Liva Rakotoarijaona. Voalohany amin’izany ny fanetsehana ireo “antenne” na ratsa-mangaika isaky ny fokontany, hoy izy. Olona efa nananana hatramin’izay ireo. Tsy afenina fa efa be dia be ny hetsika niaraha-niasa. Tao anaty taona vitsy efa saika very fanahy mbola velona. Nony nahita ity vokatra vaovao ity moa dia taitra amin’izay dia nifanontany hoe inona no azo atao? Niezaka niantso! Nanetsika ireo fokontany ary tsy nianona tamin’ny boriboritany faha 4 fotsiny fa niezaka nanetsika ny faha 3 sy faha 6 koa. Napetraka koa ny paikady na “plan d’action” satria fifidianana mazamazana ihany ity in-dray mandeha ity. Resy lahatra hanohana ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, izahay satria tsy mijery tsangan’olona fa mijery fotokevitra. Takian’ny firenena amin’izao fotoana izao ny fandaharam-potoanany rehefa maheno izany amin’ireo haino aman-jery isan-karazany. Tena mitombina be aminay ilay hoe “Tsotra - mora - mahomby”. Ny fahatsorana sy fahamarinana no miteraka fahombiazana. Tojo an’i Tahina Razafinjoelina ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana. Mahaliana ary mampilendalenda ilay vina mikasika ny fanabeazana. Hita izany amin’ny fomba fanazavany ny heritreriny entina hanamboarana ny fanabeazana eto Madagasikara. Faharoa moa ilay hoe fitsinjaram-bola na “décentralisation budgétaire”. Miainga amin’io ny fototry ny fampandrosoana. Tena mijery ny any ifotony io ary mahafoaka zavatra be dia be raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsy fandriampahalemana. Mihanaka io izao. Misy ihany tomponandraikitry ny filaminana sy mpitandro filaminana any ambany ravikazo any fa ilay fitaovana enti-mihetsika hiady amin’izany mihitsy no olana! Raha tonga any ambanivohitra, noho izany, ny fitsinjaram-bola dia inoana fa hihena be izany tsy fandriampahalemana izany. Toy izany koa ny resaka fahasalamana. Fa maninona moa no mbola heno foana ny hoe andoavana vola mihoam-pampana any amin’ny hopitalim-panjakana? Tsy afaka mitsabo tena ny olona marary. Tsy afaka miteraka ny vehivavy bevohoka. Tsy manana fahaleovantena izany ilay hopitaly fa miraviravy tanana fotsiny. Tsy misy mpitsabo na fitaovana fa raha ohatra hoe tonga any ny fampitaovana amin’ny alalan’io fitsinjaram-bola io dia azo isitrahana tsara ny hopitaly any ambanivohitra any. Resaka fampianarana koa. Fa maninona moa no tsy tamana intsony ny mpampianatra any ambanivohitra any? Tsy maha velona azy ilay asa. Misy mpampianatra, am-bolana maro tsy mandray karama. Lasa malaina ny mpisehatra amin’ny fampianarana. Mila volam-panjakana any fa tsy tokony angonina fotsiny aty anaty minisitera aty. Na ireo teboka miisa 3 ireo fotsiny aza dia efa naharesy lahatra anay hanohana an’i Tahina Razafinjoelina. Tena mety amin’ny firenena malagasy ity kandida ity. Antsoinay izay mahatsapa tena ho tia tanindrazana rehetra hiditra ao anaty Firaisankinan’ny tia tanindrazana. Ny tena zava-dehibe anaty fitiavan-tanindrazana dia ny fahasarotam-piaro amin’ilay firenena sy ilay vahoaka malagasy. Mbola mpianatra aho no naheno hoe Madagasikara an-dalam-pandrosoana. Izao isika 2023, mbola an-dalam-pandrosoana ihany i Madagasikara. Mahantra mihitsy aza. Tamin’ny 50 taona lasa isika efa an-dalam-pandrosoana. Izao ve izany isika an-dalam-pandrosoana ho any amin’ny fahantrana? Fotoana hanehoan’ny malagasy firaisankina izao, hoy hatrany ny FTT Boriboritany faha 4.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT