Fampandaniana an’I Tahina R.

Nitsangana ny rantsan’ny FTT Faratsiho


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Nitsangana ny rantsan’ny vovonana Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT ao amin’ny Distrikan’I Faratsiho.

Nandrafitra izany ireo kaominina miisa 9 ao anatin’ny distrikan’I Faratsiho, ny 7 septambra teo. Ny FTT dia nanolotra an’Atoa Tahina Razafinjoelina ho kandida filoham-pirenena amin’ny 09 novambra izao, ka nanambara ny sampan’ny FTT ao anatin’ny distrikan’I Faratsiho fa manohana tsy misy fepetra an’ity kandida ity. Antony maro no nahatonga ny safidy. “Izy no kandida madio, amin’ny maha mpampianatra azy dia heverinay fa manana traikefa amin’ny fanarenana ny Firenena”, hoy ny FTT Faratsiho. Resy lahatra amin’ny vina entiny izahay, dia ny Malagasy mifampiahy, fanabeazana mitodika amin’I Madagasikara, Malagasy mamokatra sy mivelatra maneran-tany, vahoaka mandry fahalemana, Madagasikara maitso ny tontolo, Malagasy tia ny Malagasy, fahasalamana antoky ny fampandrosoana, Malagasy marina,… hoy hatrany ny fanambarana. Manao antso avo amin’ny Malagasy havana, ny kristianina rehetra, antoko politika, tantsaha eto amin’ny distrikan’I Faratsiho hifanome tànana amin’ny fampandaniana azy amin’ny fifidianana ho avy izao, miara-dia vao mandresy, fa tsy mandresy vao miara-dia, hoy ny fanentanana sy antso avo nataon’ny FTT Faratsiho.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT