Efa toy ny lasa tsy maha rototra intsony ankehitriny fa zary lasa fahazaram-bahoaka ny fampanantenana
poakatin’ny fitondrana Rajoelina! Iny izao farany teo ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, fa nampanantena delestazy mihena 80% indray ho an’Antananarivo kanefa vao mainka zara raha nisitraka herinaratra izany renivohitr’i Madagasikara izany, raha ny fitarainana tamina faritra maro voaray omaly alatsinainy. Ny sasany nisy ny harivan’ny alahady teo tamin’ny 6 ora no tapaka dia ny antoandron’ny alatsinainy tamin’ny iray ora vao niverina. Mbola niverina tapaka ihany indray avy eo tany amin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Amin’io tsy voafaritra mazava intsony hoe ireo mifampiankina amina andrin-jiro na «secteur» aiza sy aiza ireo miara-tapaka na miara-mandeha fa dia mifampisambadidaka eo, hoy hatrany ny fitarainana voaray. Misy heverina ho «secteur» mitovy izao kanefa ny sasany tapaka. Ny sasany mandeha. Antsoina ny laharana 547, izay natao hisitrahana ny fanazavana mahafa-po avy amin’izany orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA izany saingy tapaka avy hatrany. Iniana korontanina ve izany ilay vahoaka malagasy na koa hoe iniana volena mihitsy izay korontana sy fahasorenan’ny olompirenena izay? Mampametra-panontaniana nefa hoe inona no antony ary no dia tena atao maharitra be toy izao ity olana ity fa tsy vahana araka ny tena tokony ho izy amin’izay, araka ireny fampanantenana natao be dia be hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty amin’ny 2024 ireny?
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.