Fampahoriana vahoaka, famoretana,

… Tsy misy tena sahy miteny sy mijoro ireo depiote


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Terena hanaiky ny rehetra fa izao no mendrika ny Malagasy ka fanakombonam-bava sy famoretana

no setrin’ny fanehoana fa betsaka ny zavatra tsy mety eto. Manana ireo lazaina fa solombavambahoaka izay mandrafitra ny Antenimierampirenena isika, manana ireo loholona mandrafitra ny antenimierandoholona lazaina fa mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mahita ve izy ireo fa tena mety sy rariny izao zava-manjo ny Malagasy izao ? Nahoana no tsy misy tena sahy miteny sy mijoro manoloana ny vidim-piainana midangana, fanapenam-bava, olan’ny angovo mandavan-taona, manam-pahefana mbola mandrahona ? Miisa 163 ny isan’ny solombavambahoaka fa na ny 10% amin’ireo fitsiny aza tsy hita sy tsy hita taratra milaza sy maneho fa tsy mety sy rariny, ary tsy mendrika ny Malagasy ny zava-misy ankehitriny. Miray petsapetsa sy misalobo-komana ? Ao Tsimbazaza no ambara fa Lapan’ny demokrasia saingy jamba ny ankamaroany eo anatrehan’ny fihemorantsika amin’ny demokrasia sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy herisetra ataon’ny mpitondra. Ny depiote voafidy tany Vatomandry sy ireo mpanao fandaharana amina onjam-peo angamba no sahy naneho ampahibemaso ny zava-misy, fa ny ankamaroany manao salobokomana sy minia mikipy. Betsaka ireo toe-javatra azon’ny depiote hanaovana dingana toy ny fampanantsoana ireo tompon’andraikitra ambony, fanaovana fanadihadiana parlemantera, fitsipaham-pitokisana amin’ny endriny samihafa,… fa tsy misy. Sanatria toa lasa andrim-panjakana saribakoly, ka ny Filohan’ilay rafitra lany 100%, ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lany tsy misy fanintsiana,… Resy lahatra 100% ve ny depiote fa tena solombavambahoaka fa tena mahavaha ireo olana ara-toekerana sy ara-tsosialy samihafa ny LFI 2025 ? « Ny Politika akampoben’ny Fanjakana na PEG dia misy zavatra 4 mila mazava sy voafehy : Inona no hatao ? Fomba inona no hanatanterahana azy ? Ahoana ny fotoana hanaovana azy ? Aiza ny rafitra manaraka ny fahatanterahany ? Manao ny asa ve ny parlementa eo anatrehan’izany ? Tsy misy na Firenena iray eran-tany tsy manao fanintsiana tetibola hoe mety sy tena izy. Raha tena mety dia aiza sy ahoana ny fanatanterahana sy fanaraha-maso ny LFI. Mba efa nisy ve ny tatitry ny parlemanta mikasika ny LFI mikasika ny vita sy tsy vita ? », hoy ny mpahaitoekarena Atoa Serge Imbeh Jovial tapa-bolana lasa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT