Fampahatrana sy fanesoana vahoaka

Raikitra indray ny sakoroka amin’ny kizarazara vatsy


  • Zoma 16 Mey 2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

hitezana ny olona ho androrosy hilazana fa miasa sy mitsinjo vahoaka ny Fanjakana. Nanao be fiavy nitokona teny eo anoloan’ny biraom-pokontany ny mponina ao Ambohibarikely, Anosibe, Boriborintany faha-4, mikasika ny fizarana vary natao tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Tsy fahazoana "ticket" ilaina amin’ny fandraisana ny fanampiana no mampifanjevo. Nambaran’ny mponina fa ireo akaiky sy fianakavian’ny Sefo fokontany ihany no nahazo izany "ticket" izany, ka nahazo ny vary. Ireo olona sahirana sy be antitra, na dia voasoratra anarana aza, dia tsy nahazo fanampiana satria tsy nanana "ticket", hoy izy ireo. Nisy koa ireo tsy tao anaty lisitra nefa nahazo "ticket" sy fanampiana, raha ny fanamarihana. Izany rehetra izany no niteraka fitarainana sy fitokonana avy amin’ny mponina, izay mihevitra fa nisy tsy rariny tamin’ny fizarana ny fanampiana. Andaniny, nilaza ny fokontany raha ny hita tamin’ny haino aman-jery, fa raha 150 ny anarana nalefa tany amin'ny tompon'andraikitra, dia 74 ihany no nahazo, ka niteraka fitarainana sy fikorontanana teo amin'ny fiarahamonina. Mivadika rotaka satria nosokajian’ny fokontany ho mpanakorontana ireo mpanao fihetsiketsehana ka hotoriana. Toe-javatra maneho, fa mahantra sy fadiranovana ny Malagasy, hany ka raha vao misy ny zavatra tahaka itony izay matetika lalaovina ara-politika, dia mirohotra ny olona. Fizarana zavatra tsy mahavita taona no lazain’ny Fanjakana fa fitsinjovana vahoaka, ary sahin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina mihitsy aza no nilaza fa mifampitsinjo sy mifamelona, ary mampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka izy. Tsy misy famoronan’asa, tsy misy famoronana harena,… fa politika sosialista entina hilalaovana fahatram-bahoaka hatrany. Tsy vao izao fa efa hatrany amin’ny 2009 no nanaovana ity kizarazara sy kimoramora izay maka tahaka ny « tsaky pôpy » tamin’ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka ity, fa tsy nahomby, tsy mampandroso firenena fa zary lasa filalaovana vahoaka,… kanefa dia ireharehan’i Andry Rajoelina. Raha tena mahay mitantana sy mitondra, ny fampiakarana ny fari-piainan’ny olona dia mampiakatra azy hanana asa mahavelona, manana vola ampy, manana fahefa-mividy ambony, fa tsy ny kitolotolotra izay matetika hamatorana sy hangejana mihitsy ny zo fototra maha olom-pirenena azy. Fampandrosoana sa fampahantrana sy fanadevozana vahoaka an-kolaka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT