Politique

Famotsoran-keloka Tsy maintsy dinihin’ny fitsarana ny fangatahana


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

“Tsy natao hialokalofan’ny mpanao ratsy ny famotsoran-keloka”, hoy i Maka Alphonse, filohan’ny Komitin’ny fampihavanana Malagasy (CFM). Anisan’ny fahefana omen’ny lalàna 2016-037 tamin’ny 2 febroary 2017 ho an’ny CFM ny famotsoran-keloka.

 

 

 

Rehefa apetraka ny fangatahana, mandinika ,ny vaomieran’ny fahamarinana sy ny fifonana ary ny famotsoran-keloka eo anivon’ny CFM. Alefa any amin’ny Fitsarana tampony izany, izay misy ny vaomiera manokana mahaleotena ho amin’ny famotsoran-keloka (CSIA)  ka andrasana ny heviny araka ny lalàna. Antony, hoy Maka Aphonse, ireo heloka sy fandikan-dalàna izay azo omena famotsoran-keloka araka ny satan’i Rome momba ny fanitsakitsahana  ny zon’olombelona. Miandry ireo antontan-taratasy ny CFM avy amin’ireo fangatahana ambiny avy amin’ny Fitsarana tampony mba hahafahana mandinika raha omena na tsia. Ankoatra izay, ny zoma ho avy izao no hanao tatitra ny CFM. Araka ny lalàna dia tsy maintsy atao ampahibemaso ny zava-bita sy izay tsy maintsy hatao. Ezaka natao ho marikin’ ny firaisam-pirenena sy fampihavanam-pirenena izany sady ezaka natao tamin’ny famotsoran-keloka, ireo fangahatahana fanorenana (reparation et indemnisation). Miisa 37 hatreto ny taratasy fangatahana faotsoraan-keloka voarain’ny CFM.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT