Politique

Famotsiam-bola sy famatsiana asa fampihorohoroana Anisan’ireo firenena 5 tena ahiana mafy i Madagasikara


  • Zoma 10 Febroary 2023

Tafiditra anatin’ireo firenena 5 voalohany tena ahiana mafy amin’ny resaka famotsiam-bola sy famatsiana ny asa fampihorohoroana I Madagasikara.

Isika no eo amin’ny laharana faha-5 amin’ny firenena 128, ary fahatelo kosa aty amin’ny faritr’I Afrika atsimon’I Sahara, raha ny tatitra sy tondro navoakan’ny AML de Bale (Assessing money laundering), ary ambony be ny ahiahy momba izany ho an’ity 2023 ity. Raha 7,40/10 ny naotintsika ny 2021, dia niakatra 7,59/10 ho an’ny taona 2022, kanefa arakaraka ny fanakaikezana ny isa 10 no maneho fa miharatsy ny zava-misy momba ny famontsiam-bola sy ny mety famatsiana ny asa fampihorohoroana. Sehetra 5 no nanaovana tombana ka 65% ny tamin’ny famotsiam-bola sy famatsiana ny fampihorohoroana, kolikoly 10%, fangaraharana ara-bola 10%, fangaraharana eo amin’ny asam-bahoaka 5%, ary ny resaka risika amin’ny raharaham-pitsarana sy lalàna 10%. Nambara fa heverina hitondra fanatsarana ny fametrahana ireo rafitra vaovao ho an’ny ady amin’ny fifamoivoizan’ny vola maloto. Tsara moa ny manamarika fa efa mipetraka avokoa ireo rafitra 5 eo amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly toy ny SAMIFIN amin’ny resaka fady amin’ny famotsiam-bola sy famatsiana ara-bola ny asa fampihorohoroana, ny Bianco izay efa fantatry ny rehetra, ny ARAI izay manao fanagiazana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ny PAC izay fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly, ary ny CSI izay rafitra natao hitandro ny fahintsiana. Mbola ampidirana kely amin’ireo aza ny fitsarana momba ny kaonty, saingy isan’ny olana anefa ny mety ho tsy fahampian’ny fahefan’ireny. Sarotra ny ady satria indraindray ny fahefaham-panjakana mihitsy no ialokalofana amin’ny afera maloto avo lentana samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT