Herinandro sisa dia ho tonga ny fifidianana, ka ny kandidŕ ho filoham-pirenena Dr Jean Louis Robinson dia nanamafy indray omaly fa ny fampiroboroboana ara-ekonomika amin’ny alalan’ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny no fomba ahafahana mamaha ny olana arak’asa izay nahazo an’i Madagasikara hatramin’ny 2009 no ho mankaty.
Nambarany ary fa “ana hetsiny maro ny olona very asa noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, satria ny fitondrana ankehitriny dia niteraka fisavorovoroana ara-ekonomika sy feno kolikoly. 300.000 amin’ny mponina no very asa, noho i Madagasikara tsy ao anatin’ny vondrona AGOA intsony, izay mamela fianakaviana maro tsy hanana fidiram-bola, ary manery azy ireo handefa ny zanany hangataka sakafo sy vola eny an-dalam-be toy izay ho any am-pianarana. Ny fitondran-dRajoelina sy Hery Rajaonarimampianina dia tompon’andraikitra amin’ny fanimbana ny hoavin’ny taranaka iray manontolo”. Dia mbola notohizan’i Robinson Jean Louis ihany fa amin’ny alalan’ny fitazonana ny fifandraisana tsara amin’ireo mpiara-miasa sy ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny no hamerina ny firenentsika indray amin’ny toerany ary afaka mamorona asa ho an’ireo sahirana izay tsy an’asa tsy fidiny eto Madagasikara. Nitondra faisana tokoa ny fampiasam-bola vahiny mivantana tamin’ny fitondran-dRajoelina, hoy izy satria teo amin’ny 1,36 miliara dolara tamin’ny 2009 no nitotongana teo amin’ny 455 tapitrisa dolara teo ho eo tamin’ny 2013. Izany dia mampiseho mazava fa tsy misy olona te hampiasa vola amina firenena anjakan’ny kolikoly ary ny fifanekena dia tsy voahaja sady tsy voaaron’ny lalàna. “Ny governemantako dia hanamafy indray ny fomba fampiasam-bola eto Madagasikara, hanaja ny fifanarahana misy ary hitady izay hiverenana ao anatin’ny AGOA, manomboka ny andro voalohany hahatongavako eo amin’ny fitondrana mba hahafahantsika manafoana faran’izay haingana ny voka-dratsy nateraky ny efa- taona teo amin’ny tontolon’ny asa sy ny ekonomia eto amintsika”.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.