Mafampana ny toe-draharaha, ary miandry izay hiseho rahampitso eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, hisian’ny famoriam-bahoakan’ny depiote mpanohitra ny rehetra. Malaza fa kotrehina hokorontanina izany, ary efa mandeha ny fanangonana vatan-dehilahy na “gros bras” handrava sy handoto ny hetsika.
Izahay amin’izao fotoana izao dia mahafantatra hoe misy depiote, misy olona ao amin’ny fitondram-panjakana manao fanangonana “gros bras” any ambany tanàna rehetra izay misy any, hitenenana fa raha sanatriavin’ny vava misy mandroba na manao zavatra tsy mety mandoro fiara,… dia efa fantatray hoe iza ilay olona manao an’izany, ary iza ilay olona nangonina, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raisinay ho tompon’andraikitra tanteraka izy amin’izay zavatra mitranga. Efa nametraka fitoriana izahay na fitoriana fiandry io na fitoriana ilay olona mihitsy, fa izahay milaza eto hoe hanao tatitra amin’ny fomba milamina, tsy misy savorovoro. Ny toerana eo amin’ny tokontanin’ny lapan’ny tanàna dia toerana mifefy, ary an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, izay efa nanome alalana, hoy hatrany izy. Nanamafy izy ireo, fa tatitra milamina amin’ny vahoaka fa tsy manana heritreritra kely ny hanakorontana izy ireo, fa adidy amin’ny olom-pirenena no atao. Novoizina hatramin’ny ela kosa ny hoe mikotrika rà latsaka ny TIM sy ny MAPAR, te hamerina ny alatsinainy mainty na ny “Lundi noir”, handroba, hanongam-panjakana… Mahana tsy henjehina ary mihorohoro sy toran-kovitra ny olon’ny fitondram-panjakana, ka dia manasa ny atidohan’ny olona tsy hankasitraka ny hetsiky ny depiote. Ankoatra ny efa fandrahonana amin’ny hampiasana herim-pamoretana, dia volena ao an-tsain’ny maro ny hoe hisy ny rà mandriaka, fandrobana,… Tena mahita volana alohan’i habibo, ka sao dia mba efa tsara homana tokoa ny fanakorontanana handotoana ny hafa? Nandeha ny resaka efa andro vitsivitsy izay, fa nisy depiote iray antsoina hoe RJN voafidy tany amin’iny ilany somary atsimon’ny Nosy iny nizara vola hanaramana “gros bras” teny amin’ny faritra 67Ha sy ny manodidina iny. Tsy fantatra aloha izay tena fahamarinan’izany, fa matoa kosa ny depiote mpanohitra nametraka fitoriana manoloana ny toe-draharaha, dia ao raha, hoy ny fitenenana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.