Politique

Famoriam-bahoaka any Toamasina Nomena alalana ny TIM, saingy…


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Nomen’ny prefektioran’i Toamasina hamory vahoaka ao amin’ny ex-Magro Toamasina ny antoko politika Tiako I Madagasikara rahampitso 8 oktobra 2022.

Hita ho enjana ny fepetra takiana amin’ireo mpitarika izany hetsiky ny TIM izany etsy ankilany. Araka ny voalaza ao anaty taratasy fahazoan-dalana dia manome alalana ny antoko TIM hanatanteraka ny famoriam-bahoaka ao anaty trano ex-Magro ny sabotsy 8 oktobra 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva ny prefen’I Toamasina. Noho izany, hoy ny voambara, ny mpangataka dia tsy mahazo mivoaka ny faritry ny Magro fa ao ihany no mamory ny mpikambana ao aminy. Tsy azo atao ny mirohotra mitsena olona eny an-dalambe na eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy ekena ny filaharana an-dalambe mitanjozotra mamonjy ny toerana hivoriana fa samy manao izay hahatongavany. Anjaran’ny mpangataka ny miantoka ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao anatin’ny faritry ny Magro mandritra io andro io. Mandray ny andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha toa ka misy fihoaram-pefy ataon’ny mpivory. Tomponandraikitra tanteraka ny mpangataka raha toa ka misy korontana mitranga mandritry ny tontolon’ny andron’ny sabotsy 8 oktobra io, hoy hatrany ny voambara ao anatin’ity fahazoan-dalana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT