Famoriam-bahoaka ankalamanjana

“Amin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra vao halalaka”


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nilaza omaly ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin, fa malalaka ny fanehoan-kevitra na ho an’ny mpanao politika na ny antoka,

ka nilazany fa afaka manao hetsika avokoa. Amin’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra amin’ny 10 oktobra kosa anefa vao halalaka ny fanaovana hetsika ankalamanjana. Nambarany fa mbola mila tandrovina ny filaminam-bahoaka, ka mbola mipetraka ny fepetra tsy fahafahana mamory vahoaka ara-politika ankalamanjana, araka ny naoty efa navoakan’io Minisitera io. “Manaja fepetra aloha mandra-pahatongan’ny fampielezan-kevitra. Rehefa tonga ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay manomboka amin’ny 10 oktobra dia malalaka ohatran’ireny fampielezan-kevitra rehetra ireny ireo antoko politika sy mpanao politika. Mbola “pré-campagne” izao ka tsy maintsy mbola jerena tsara ny resaka filaminam-bahoaka. Amin’izao mba hitandrovantsika ny filaminana, dia tsy maintsy mbola raisintsika izay fepetra izay”, hoy ity Minisitra ity. Efa nanomboka ny 04 aprily moa no nandraisana io naoty io, saingy tsy mihatra amin’ny mpitondra Fanjakana, na dia misy hatrany aza ny fanambarana politika ataon’ny fitondrana ankehitriny. Ny hafa fehezina fa ny mpitondra efa tena miharihary ny endrika propagandy mialohan’ny fotoana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT