Famonoana ara-politika ?

« Nopoizinina no nahafaty ny Depiote Papasolo ! »


  • Talata 01 Jolay 2025

Androany izaho mbola mamerina miteny ihany : Voapozina (fanahy niniana natao)

no nahafaty tampoka be an'i Papako. PapaSolo VPAN Antananarivo na Depiote an'i Faratsiho) », hoy I Notiana Tambatriniaina Rasolonjatovo, zanak’itompokolahy Honoré Rasolonjatovo, solombavambahoaka voafidy tao Faratsiho, izay nodimandry ny novambra 2023. Maneho fisiana fandrirarirana mikasika ny famotorana ny tenany raha naneho tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly hoe : hotohizanareo ny fanadihadiana sa tsia ? Afaka mametraka fitoriana ve eto amin'ity Madagasikara ity? Misy resaka fangejana sy fakana tsy ara-drariny ny volan’io mpandraharaha sady olom-boafidy nodimandry io ihany koa. « Nankaiza ny vola an'i « Magasin » anay SOCOMA efa ho 100 milliards FMG (20 miliara Ar) ? Iza no mitetika te hahazo an'i MAHASOA (izay tsy an'i Dadanareo no tsy nisasaranareo? ) Iza avy ireo mitetika ny haka ny fanananay sy « patrimoines »-nay ka potehinareo tsikelikely sy laninareo andro ao amin'ny Fitsarana ao izahay? », hoy hatrany io zanaky ny depiote Papasolo io. Mampigadra ve mitaky ny fahamarinana sa mbola azo hatao ihany eto ??? Leo be anareo koa aho fa tsy Dadanareo marina no nopoizinina otran'ireny!!! Farany, raha hifananatra dia aoka izay fa ampy ahy tsara ny fampianarana nomen'ny Raiko. », hoy izy naneho ny fahasosorana sy hatezerana eo anatrehan’ny heveriny fa zavatra tsy rariny. Teo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny politika no nahafantaran'ny maro an’i Papasolo. Voafidy ho Solombavambahoakan’i Madagasikara ny taona 2003, 2007, 2014 ary 2019 ary mpikambana tao amin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Tetezamita na CST nandritra ny tetezamita, ny taona 2009. Tao anatin’ny 20 taona izany izy, dia voafidim-bahoaka sy nanana andraikitra teo anivon’ny Andrim-panjakana mpanao lalàna hatrany. Anisan’ireo mpandraharaha nanana ny naha izy azy, indrindra tamin’ny resaka entana ilaina andavanandro na PPN toy ny vary, afaka nilahatra tamin’ireo vahiny mifehy sy mangeja izany sehatra izany.
NOGEJAINA NY KAONTINY, NIKASA HILATSAKA HO FILOHAM-PIRENENA,…
Nialohan’ny fifidianana 2023 no efa nandrenesana fa nisy fangejana ny kaontin’ity mpandraharaha sady depiote efa nodimandry ity. Nisy resaka nivoaka mikasika ny tsy fifankahazoana politika, ka voalaza fa nikasa hirotsaka hofidiana Filoham-pirenena ny tenany noho ny fahasosorana politika tao anatin’ny vondrona nisy azy. Ny oktobra 2023, toa nampiseho an-karihary ny fahatapahan’ny tady teo aminy sy ny vondrona politika nisy azy ny zava-niseho. Ny 09 oktobra 2023 mantsy, nipoitra ofisialy niaraka tamin’ireo depiote niara-dia sy nanohana ny tolona sy hetsika nataon’ny « Collectif des candidats » izay nitaky ny fahadiovan’ny fifidianana Filoham-pirenena izy. Iray volana taorian’io, ny marainan’ny 10 novambra 2023, nanaitra ny rehetra ny vaovao nilaza fa nodimandry ny depiote sady VPAN Rasolonjatovo Honoré, rehefa voalaza fa tojo tsy fahasalamana tampoka ka naiditra hopitaly ny takariva saingy tsy tana ny ainy ny maraina. Dia io mbola misy resaka mandrak’ankehitriny iny izay ny zanany no maneho fa nopoizinina ny rainy, misy manodinkodinana ny fananany,… Hisy fiovan-javatra ve taorian’ny karazana fanairana sy ampamoaka ? Hisy vondrona na mpanao politika hitondra setriny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT