Famoahana voka-pifidianan’ny CENI

Lasa ohatran’ny resa-pianakaviana


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Nihanjahanja irery tao ny kandida Andry Rajoelina nandritry ny famoahana voka-pifidianana filoham-pirenena

vonjimaika tetsy amin’ny CENI Alarobia ny sabotsy teo. Ireo kandida mivondrona ao anatin’ilay antsoina hoe firaisankinan’ny kandida miisa 10 na CC 10 moa efa niteny mazava fa heverin’izy ireo sy ny mpiaradia aminy ho toy ny tsy misy iny fifidianana notontosaina ny 16 novambra teo iny. Ny kandida laharana faha 13, Siteny Randrianasoloniaiko, kosa ny zoma no nitroatra niaraka tamin’ny ekipany noho ny fahitan’izy ireo fa tsy mitovy ny fampitahana na “confrontation” tamin’ny fitanana an-tsoratra na P.V teo an-tanan’izy ireo sy ny an’ity lazaina fa kaomisionim-pirenena mahaleontena momba ny fifidianana ity. Ny tena nanaitra ny mpanara-baovao aza dia ny tsy nanotronan’ny kandida laharana faha 11, Sendrison Daniela, ity fotoana ity ihany koa. Ity kandida voalaza farany ity moa izay sady tsy niaradia tamin’ny firaisankinan’ny kandida no voalaza fa efa tsy manana zom-pirenena malagasy toy ny kandida laharana faha 3, Andry Rajoelina, ihany koa, raha ny fanazavan’ireo mpiaradia amin’ireo firaisankinan’ny kandida ny andininy faha 42 mikasika ny sata momba ny zom-pirenena malagasy. Lasa ohatran’ny resa-pianakaviana, hoy ny tsikera maro, ity famoahana voka-pifidianan’ny CENI ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT