Iray ampahatelon’ireo kandida nifaninana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ihany no tonga teny amin’ny foiben-toeran’ny CENIT eny Alarobia niatrika ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika omaly.
Niisa 11 mianadahy izy ireo no tonga, dia ny Dr Robinson Jean Louis, Hery Rajaonarimampianina, Hajo Andrianainarivelo, Roland Ratsiraka, Saraha Rabeharisoa, Pierrot Rajaonarivelo, Fetison Rakoto Andrianirina, Alain Tehindrazanarivelo, Razafimanazato Julien, Patrick Raharimanana ary Patrick Rajaonary. Nandeha ity farany raha nahalala fa nahemotra ho amin’ny efatra ora hariva ny fanombohan’ny lanonana, raha tamin’ny telo ora no fotoana nomen’ny CENI-T. Tsy fahasalamana, fahoriana midona amin’ny fianakaviana, ary tsy fahatongavana tsotra izao no antony, ankoatra ireo nandefa solontena.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.