Politique

Famoahana ny lisitry ny mpifidy lehibe Mandry tsy lavo loha ireo ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Ny zoma 18 desambra izao indray vao ho fantatra ny tena lisitra farany havoakan’ny filan-kevi-panjakana mirakitra ny isan’ireo mpifidy lehibe amin’ny fifidianana senatorialy amin’ny 29 desambra ho avy izao

 


 

. Io no  nambaran’Atoa Rakotonarivo Thierry, filohan’ny Komity  mahaleotena  mikarakara ny fifidianana. Afak’omaly no tokony  ho  nivoaka izany lisitra izany  raha araka ny vaovao    voaray  saingy nifanindry  tamin’ny famoahan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana famerenana  ben’ny  tanàna farany teo. Etsy  an-danin’izay koa  anefa dia mbola andrasana  izay mety ho fanapahan-kevitry ny  filankevi-panjakana momba ireo  taratasy  fitarainana  momba  ireo  ben’ny tanàna,  eny fa na dia  ireo  efa am-perinasa aza satria mbola mety hisy hihintsana izy ireny ka hanova ny isan’ny  mpifidy lehibe. Ambonin’izay dia nanamafy ihany  koa  ny Ceni na teo  aza ny  fanamarihana sy ny fanakianana momba ny  biraom-pifidianana fa tsy  hisy  fiovana  izany dia   mbola  hatao isaky ny kaominina hatrany ny  biraom-pandatsaham-bato. Manoloana ireo  rehetra ireo  dia  tsy  vitsy ny velon’ahiahy ireo ben’ny  tanàna sy  ny mpanolotsaina ny amin’ny toeran’izy ireo izay toa mitsingilahila aloha voalohany   indrindra  ary ny  mety ho fihetsiky ny fitondrana manoloana  izay mety ho vokatry ny fifidianana eo.

Andry Ratovo  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT