Famoahana gadra,

famerenana ireo sesin-tany


  • Alakamisy 20 Aogositra 2026

Tsy nasian’ny SADC resaka sy tsindry mivantana intsony…

Nankasitrahan’ny Fihaonana an-tampon’ny SADC ny Repoblikan’i Madagasikara noho ny fifampidinihana mahasoa natao teo ambany fiahian’ny Komitin’ny Zokiolona ao amin’ny SADC, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Vondrona manampy amin’ny fifandaminana sy ny Sekretaria an’ny SADC. Nohamafisin’ny fivoriambe indray ny fanoloran-tenan’ny SADC hanohana ny fizotry ny fanavaozana sy ny fandaharan’asa fampandrosoana an’i Madagasikara, anisan’izany ny fanandratana ny fitantanana tsy manilika na « gouvernance inclusive », ny andrim-panjakana demokratika, ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra, ny zon’olombelona, ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena ary ny fiverenana amin’ny ara-dalàna mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Nanentana ireo mpisehatra rehetra eto Madagasikara mba hitandro ny filaminana ankapobeny izay manjaka amin’ny firenena, ary hanome lanja ny fifampiresahana ho fomba hanehoana ny fitakiana. Somary manana endrika ankampoben-javatra sy pitsopitsony mitory tsindry ihany io amin’ny lafiny iray, toy ilay hoe : « gouvernance inclusive ». Raha navoitra nibaribary kosa tany aloha ny hoe : famotsorana ireo sokajiana ho gadra politika izay ifandroritana satria ny andaniny dia ny avy amin’ny fanoherana mivohy mafy fa politika no hanagadrana ireo olona, raha toa ka milaza ny Fanjakana fa tsy misy hidiran’izany, fa raharaha tsotra, heloka, kolikoly. Anisan’ny ohatra iray ny raharaha mahasaringotra ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle izay voarohirohy amina raharaha dabilio miteti-bidy 800 tapitrisa Ar mahery. Tsy tena nivoitra ihany koa ny resaka famelana malalaka ireo lasa nanao sesitany politika ny tenany any ivelany, izay lohalaharana i Andry Rajoelina izay Filohan’ny SADC teo aloha. Ny tenany izay niezaka nitady làlana tamin’ireo sehatra iraisam-pirenena taorian’ny fionganany, saingy adino sy takona ankehitriny,… saingy ahiana ho mbola manana dian-tanana tamin’ireo tranga samihafa nentina nanozongozonana Fanjakana. Misy amin’ireo mpiara-dia taminy no voasambotra sy any am-ponja toa an-dry Sylvain Rabetsaroana izay voarohirohy tamin’ny raharaha fanakorontanana, voalaza fa nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana. Vao tsy ela no nisamborana ny tompon’andraikitra ambony iray tamin’ny tontolon’ny fanabeazana izay voasaringotra tamin’ny raharaha fanjavonan’olona, raharaha famosaviana,… izay nifandraika tamin’ny fisavana toerana iray voalaza fa fivorian’ny Fikambanana miafina na Franc-maçon teny Ivandry,… Nisy ireo hafa toa an-dry Naivo Raholdina, Richard Ravalomanana, Rinah Rakotomanga, Valery Ramonjavelo,… izay mbola any am-ponja, raha toa ka nisy ny nitsoaka toa an-dry Augustin Andriamananoro. Taratry ny tsimbalivaly ara-politika izay tokony hakana lesona ! Miandrandra tsindry ara-politika iraisam-pirenena na fifanarahana ara-politika aorian’ny fikaonandoham-pirenena, na koa famotsorana mialohan’ny fifidianana,… na fiovana ara-pitantanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT