Famitahana tamin’ny tosika propagandy

Raikitra ny sakoroka teny Tsiadana


  • Talata 10 Desambra 2024

Raikitra ny sakoroka omaly teny Tsiadana Ankatso ! Voalaza fa nisy ireo olona sosotra sy tezitra tsy nahazo

vary sy fanampiana samihafa nampanantenaina. Vokany, raikitra ny fandorana kodiarana, tabatabata, menomenona,… Diso fanantenana fa tsy nahazo ny nampanantenaina rehefa avy natao fitaovana hanamaro isa ireo lazaina fa mpanara-dia ny kandida iray eto an-dRenivohitra. Diso fanantenana tamin’ny resaka « ticket » izay natao fitaovana tamin’ny faradoboka ny alahady lasa teo. Mpamitaka, izahay tsy hifidy an’iny,…hoy ny menomenona samihafa. Ny takarivan’ny zoma teo no efa rotaka be tetsy amin’ny ANS Ampefiloha vokatry ny filaharana sy fifanisihana fanampiana. Nandeha hatramin’ny resaka fa nisy maty sy naratra ? Kamio be telo feno mpitandro ny filaminana no nalefa teny. Dia io fa mitohy etsy sy eroa ny fahatezerana sy fahadisoam-panantenan’ireo tsy nahazo. Miharihary hatrany aloha izany ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka ka jonoina amin’ny zavatra tsy manao ahoana dia mirohotra. Tsy omen-tsiny ny olona, saingy tsy tokony ho voafitaka amin’ny domina tapany handoa erany. Efa izany foana ny fomba fanao politika natao teto fa io ny vokany hoe : firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Ataon’ny sasany fitaovana ho an’ny tombotsoa politikany volam-bahoaka, tantanina amin’ny fomba tsy mangaraharaha,… dia lasa tahaka ilay antoko na ny kandida tohanany no Mesia mpanavotra, kanefa ny zavatra amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy ihany no hanajana sy hanambakana azy raha tsy hilaza afatsy ireny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena toy ny tetikasa Tsimbina hizarana vola ho an’ny fianankaviana sahirana ireny. Mila tonga saina ny rehetra fa tsy misy fiovana antenaina amin’izao !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT