Fametrahana vina hampivoatra ny firenena

« Tena manana fahasahiranana ny Fanjakana Rajoelina »


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Noresahina foana hatramin’izay ny tsy fananan’ny fitondràm-panjakàna politika ahafahana

mampiakatra sy mampivoatra ny firenena ho lasa manan-karena, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Na ny tsy fananany ny atao hoe fotokevitra politika amin’ny maha antoko politika ny nanolotra azy aza, hoy izy, dia efa iaraha-mahalala fa olona mpanararaotra na «opportunistes» daholo no manodidina azy. Tsy afaka manome torohevitra mazava be ho an’ny fitondram-panjakàna. Tsy vao vaovao izany olan’ny JIRAMA izany. Tsy nisy fitondram-panjakàna mihitsy nanao ny fanadihadiana aloha voalohany. Faharoa, nametraka izany JIRAMA izany amin’ny toerana maha orinasam-panjakàna na «société d’état» afaka mamaly tsara ny filàn’ny malagasy. 15% fotsiny hatramin’izao no hoe misitraka JIRAMA nefa andefasana vola be dia be ao amin’ny tetibolam-panjakàna ilay izy. Tsy manana politika mazava tsara izany ilay fitondram-panjakàna fa be dia be ny tsy fahaiza-mitantana ao anatin’io tsy nametraka ho anatin’ny antsoina hoe orinasa mivoatra araka izany anarana izany hoe io no mpamatsy rano sy herinaratra voalohany eto Madagasikara. Tsy resahina koa ny resaka Madagascar Airlines izay mampalahelo. Misy fampanantenana ATR ao fa tsy voavaha. Tsy misy tsinona ilay planina mazava amin’ny resaka fanatsaràna fa maika amin’ny vonjitavan’andro fotsiny. Miala amin’ny Air Madagascar dia miditra amin’ny Madagascar Airlines fa potika ilay orinasa. Mihena indray izany ny resaka tetibola amin’ny taona 2025. Mampalahelo izany satria mampahantra. Tokony hanana politika hamokarana tsara ilay fitondram-panjakàna satria ny vola azo avy amin’izany no ahafahanao mamerina ny trosanao na mampitombo ny trosanao. Raha tena tiana handroso i Madagasikara, na mbola amina miliara aza no trosa ho alaintsika dia azo atao hahafahana mampandroso ilay firenena. Ao ny resaka fotodrafitrasa, ny indostria, ny fizahantany, ny fanampiana ireo mpisehatra rehetra mba hisy ny famatsiana na «subvention» amin’ny resaka fambolena sy ny tariny fa ny zava-misy nefa dia ireny tetikasa vonjitavan’andro hoe ao hono fa omena zezika fa tsy fizahana izay haha matihanina ireo mpisehatra rehetra na eo amin’ny fizahantany izany na hafa. Voaloha io trosa kely io matoa azontsika. Mila mampiseho amin’ny mpamatsy vola kosa ny fitondram-panjakàna hoe ity misy tetikasa maty paika ahafahana tena mitondra fampandrosoana hahafahan-drizareo manana fitokisana amin’ny mpitondra antsika sy mamatsy bebe kokoa. Manana fahasahiranana amin’ny fametrahana vina hampivoatra ny firenena ny fitondram-panjakàna amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT