Politique

Fametrahana Praiminisitra Miantso ny fifanohanan’ny rehetra i Tonton Ambroise


  • Alarobia 26 Oktobra 2011


Amin’izao ankatoky ny fanendrena izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana izao, izay tokony ho fantatra mialoha ny 01 novambra 2011 raha ny tetiandro voafaritra ao amin’ny tondrozotra nosoniavin’ireo mpanao politika tamin’ny 17 septambra 2011, dia manao antso ny “Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL)”, ao anatin’ny Ankolafy mpiaro ny ara-dalàna amin’ny hery afovoany mahaleotena, izay manaraka «ny feon’ny fahamarinana ho fiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy», mba hanambatra ny hery sy hifanohana amin’ny fametrahana Praiminisitra vaovao izay hanaja ny demokrasia handraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara sy ho amin’ny fanajana ny zon’olombelona. Mampatsiahy ireo izay rehetra nanao sonia ka nanome fahefana an’Atoa Andry Rajoelina ho eo amin’ny Filohan’ny tetezamita, koa ny FRDL mba hanajan’izy ireo ara-bakiteny izay voalazan’ny tondrozotran’ny Troika nosoniaviny, ary koa tsy handika vilana ny fanatanterahana izany ka hahatonga ny olona hino izany ho famadihana ny fiandrianany.

Ny fiaraha-monin’ny mpifanohitra, hoy i Tonton ambroise dia midika ho fahavononana hanasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Ny tetezamita repobilikanina dia midika ho fahavononan’ny antoko politika hiray hina ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Koa tokony ho vonona hiady amin’izany fisamatsamahana nandritra ny telo taona izany isika rehetra ary dia hanandratra feo tokana mba hamaranana ny krizy.

Miantso ny Filohan’ny Tetezamita, ireo mpifaninana ho Praiminisitra, ireo mpanao sonia ny sori-dalana, ny Dina Repoblikanina ary koa ny Tafika ny FRDL mba haneho amin’ny vahoaka malagasy sy ny fikambanambe iraisam-pirenena ny fahavononan’izy ireo marina hamarana ny krizy. Noho izany, tsy maintsy miray hina izy ireo hanome hasina ny fihavanana malagasy, ary miaiky amin’ny fahadisoana vita ka mifona sy mifamela eo anatrehan’ny vahoaka. «Ny amnistia dia tsy midika ho tsy maty manota, sy ny fampiharana ny tsy fahamarinana», hoy ny FRDL, ity farany izay milaza fa hanolotra mpifaninana amin’ny fifidianana ho avy rehetra.
Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT