Ny 15 septambra 2015 no nametrahana tamin`ny fomba ofisialy ireo ben`ny tanàna izay mbola mitantana ny kaominina rehetra manerana ny nosy.
Noho izany, ny 15 septambra 2019 no tapitra ny fe-potoana izay nitondran`izy ireo ny kaominina. Miandry ny fanapahan-kevitra avy amin`ireo ben`ny tanàna sy mpanara-baovao politika ahafahany mandray fepetra amin`ny firotsahan-kofidiana amin`ny fifidianana ben`ny tanàna. Hatreto anefa dia tsy misy izany ary azo antoka fa hanemotra io vinavina natolotry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) io ny fitondram-panjakana, hoy i Marc Ramiaranjatovo, ben`ny tanànan`i Alasora. Mety tsy amin`ity taona ity satria hiditra fotoam-pahavaratra isika, hoy izy. Mety hiteny ny fitondrana fa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia natao volana desambra. Raha izao fandaminana izao dia mety amin`ny herintaona amin`ny volana mey na jona no azo eritreretina. Mandeha ny resaka fa fitsapan-kevi-bahoaka no mety hiroso aloha satria io no heverin`ny fitondram-panjakana fa laharam-pahamehana ny fanovana ny lalàmpanorenana. Nambarany fa ny asa fampandrosoana tsy maintsy mandeha. Manomboka ny 16 septambra hatramin`ny fifidianana dia anjaran`ny fanjakana no mitady ny fomba hitondrana ireo kaominina eto Madagasikara. Ilaina ny fanohizana ny asa atao ka na tovanana ny fe-potoam-piasan`ny ben`ny tanàna na ny fametrahana delegasiona manokana. Mahakasika ity farany ity, dia miankina amina zavatra roa ny fametrahana azy. Na maty ilay ben`ny tanàna dia soloina delegasiona manokana (PDS). Na koa fe-potoana mikorontana ao anatin`ny firenena iray ka mandray fepetra ny fanjakana. Ny zava-misy amin`izao anefa dia milamina ny firenena ary mbola velona avokoa ny ben`ny tanàna sady vonona hiasa, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.