Politique

Fametrahana ny depioten’Ambohidratrimo Tezitra ny mpampianatra fa navezivezy


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Tezitra, sorena, sosotra ireo mpampianatra saika hanatrika ny fametrahana ny samboadin’ny depiote IRD voafidy tao Ambohidratrimo, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’Ambohidratrimo.

 

 

 

 Nisy fahatarany mantsy ny fahatongavan’ny fanamafisam-peo, ny fanombohan’ny fotoana. Raha tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny fanombohana dia efa tany amin’ny 12 ora vao nanomboka, hoy ny fanazavana. Ireo mpampianatra nasaina tamin’ny fanasana kosa dia tezitra, satria navezivezy izy ireo. Nisy mantsy ny fety niarahan’ny minisiteran’ny fampianarana tamin’ny mpampianatra teny Antsahamanitra tamin’io andro io, ka tokony hanatrika izany ireo mpampianatra, saingy, rehefa tonga teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo izy ireo, dia nasaina nankeny Antsahamanitra. Tonga teny indray, dia nasaina niverina tany Ambohidratrimo. Nivezivezy ireto mpampianatra ary naneho ny fahatezerany fa ohatry tsy nisy dikany sy ny tsy fanajana azy ireo. Ireo olom-panjakana sy vahiny nasaina koa dia tezitra noho ny fahataran’ny fanombohan’ny fotoana.

Sitraka r.   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT