Hatreto dia i Ravatomanga Mamy,
Rakotomanga Rinah, Soalihy Moussa, jeneraly Ravalomanana Richard, Sahondrarimalala Marie Michelle no olona akaikin’ny fitondrana teo aloha nosamborina sy natao fanadihadiana. Nanazava hatrany ny mpitandro filaminana fa misy ny taratasy ara-dalàna avy any amin’ny fitsarana nanaovana ny fisavana trano sy ny fiantsoana na fisamborana. Manamafy ihany koa ny fitsarana fa misy zavatra ahiahiana matoa antsoina atao ¬fanadihadiana sy ampidirina am-ponja vonjimaika ny olona iray. Tsy voatery hoe tonga dia meloka fa mandeha aloha ny fanadihadiana.
FANADIHADIANA MARO
Raha ny resaky ny praiminisitra nandritra ny fihaonan’ny governemanta tamin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza farany teo dia manodidina ny 100 ny fanadihadiana sy fitsirihana atao nanomboka tamin’ny niovan’ny fitantanana ny firenena.Ny dikan’izay dia mety mbola hisy manampahefana sy tompon’andraikitra teo aloha hampanantsoina sy hatao fanadihadiana raha toa ka misy zavatra mampiahiahy. Mandeha mantsy ny adihevitra hoe toa ireo fotsiny, fa aiza daholo ny hafa efa nampitaraina ny olona ireny. Aleo isika manaja ny lalàna hatrany ho ny minisitry ny fitsarana, Fanirisoa Ernaivo.Fametrahana fanjakana tan-dalàna, ady amin’ny tsy maty manota, ady amin’ny kolikoly sy fandrobana ny harem-pirenena no atao fa tsy hoe fifaninanana izay mahasambotra olona betsaka indrindra.
TSY MISY HO AFA-BELA ETO
Misy fepetra tsy maintsy arahana, misy porofo tsy maintsy angonina, misy ireo vavolombelona tsy maintsy henoina sy raketina an-tsoratra izay nambarany aloha izay vao miroso amin’ny hoe fisavana trano fonenana sy fampiantsoana na fisamborana. Fa ny azo antoka aloha dia mbola misy ireo manampahefana sy tompon’andraikim-panjakana teo aloha tsy maintsy hatao fanadihadiana sy hanan-draharaha eo amin’ny fitsarana ary lohalaharana amin’ireny i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian. Tsy misy idiran’ny fikaonandoham-pirenena ny fandikan-dalàna ka hoe atao ny resaka dia ho diovin’ny fifanarahana politika eo sanatria ireo nanao ny tsy nety.Tsy maintsy ampiharina ny lalàna , tsy misy ambonin’ny lalàna eto na iza na iza hoy ny minisitry ny serasera ary tena hentitra amin’io fampanajana ny lalàna io ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Sarotra tokoa mants ny hampandroso firenena miaina anaty gaboraraka izany ka izay no maha zava-dehibe ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna lavitry ny tsy maty manota.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.