Famerenana ny tany tan-dalàna

Tafajoro ny rafitra hanohizana ny tolom-bahoaka


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Na tsy misy aza ny diabe na hetsika fotsiny tahaka ny nahazatra teto Antananarivo sy tamina tanana

maromaro nanerana ny nosy dia mbola ao tsara ny collectif des candidats, na ny vondron’ny kandida. Naka fotoana namerenana nandinihana ny zava-drehetra nitranga sy ny paikady hiatrehana ny fanohiazana ny tolona ireo kandida sy ny mpiara-dia aminy tato anatinny tapa-bolana teo izay. Fantatra ary izao fa natsangana ny « Cellule de crise » hametraka ny paikady sy handrafitra ny fomba rehetra atao amin’ny fanohizana ny tolona. Tsy resaka hoe hetsika fotsy, na diaben’ny Collectif des candidats fotsiny intsony no atao fa tena tolom-bahoaka raha ny vaovao azo .Tafatsangana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny rafitra hanatanterahana izany ho an’Antananarivo aloha, mbola hiitatra any amin’ny faritany enina sy ny faritra maro manerana ny nosy io. Midika izany fa miditra ao anatin’ity « Cellule de crise » izay hanana endrika goavana sy misandrahaka be ity ny Collectif des candidats. Mety samy manana ny endrika fitakiana nay hetsika na tolona ataony ny vondrona, fikambanana tsirairay fa misy fotoana hanaovana hetsika goavana iombonana. Tsy miova ny foto-pisainana sy ny foto-kevitra ijoroana : tsy ekena ny fandrombaham-pahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana feno hosoka, tsy azo ekena ny fanosihosena ny lalampanorenana, tsy ekena ny fanimbazsimbana ny demokrasia sy ny finiavana hanampim-bava ny olom-pirenena te haneho hevitra. Lavina marin-drano ny fampidirana ny firenena amin’ny lalan’ny kolikoly sy fahalovana satria tena hanimba ny taranaka faramandimby izany. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, afaka miara-miasa amin’izay mpiara-miombon’antoka mitovy fomba fijery aminy fa tsy ekena kosa ny hoe vahiny no hibaiko sy hitantana eto. Tsy maintsy averina apetraka eto ny tany tan-dalàna raha tiana hirindra sy hilamina ny fiainam-piarahamonina, ary ho mora kokoa ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana amin’izay, hoy ny Collectif des Candidats nandritra ireny hetsika nataony ireny, mbola mivoy an’io ihany koa ny tolom-bahoaka tarihn’ity Cellule de Crise ity.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT