Famelabelarana mikasika an-dRatsimandrava

Antony ara-toekarena no namonoan’ny olona azy…


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Tontosa teny amin’ny "Trano Sary" Ambohidahy omaly 21 febroary

ny famelabelaran-kevitra ho fahantsiarovana ny faha-49 taona nahafatesan'ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izay notanterahin-dRatsimandrava Danielle, zanany vavy, sy Rakotonaivo Julien izay mpandalina tantara. Tomefy olona ny famelabelarana sy fampiratiana, izay tao anatin’io ihany koa no nandefasAna ny horonan-tsary fijoroana vavolombelona nentin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré, mitantara ny fiainany, taloha sy nandritra ny nitondrany, ary tamin'ny nahafatesany. Notsindriana omaly fa antony ara-toekarena no namonoan'ny olona azy noho izy nijoro tamin'ny maha zava-dehibe ny fokonolona sy ny fokontany, izany hoe ny Malagasy ihany no mitantana ny haren'ny Malagasy. Nanamafy ny mpikarakaraka fa tsy azo dinganina izao faha-49 taona nahafatesany izao, tantara tsy fanadino satria olomangan'ny firenena azo alain-tahaka ny kolonely Ratsimandrava. Tsara moa no mampahatsiahy, fa 49 taona katroka ny 11 febroary teo no namonoana azy, andro vitsy taorian’ny nandraisany ny fahefana. Vao andro vitsy ihany koa no nisy ny fangatahana nataon-dry Depiote Rahasimanana Paul Bert tamin’ny Minisiteran’ny fitsarana noho ny fisiana tranga vaovao na « faits nouveaux » manodidina ity raharaha ity.
Toky R

Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT