Politique

Famatsiam-bola mivaingana avy any ivelany 4 815 miliara Ar no tadiavin’ny Fanjakana ho an’ny 2023


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Tombanan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho 25 538,6 miliara Ar ny filàna ara-bola mivaingana na BFB (Besoins de Financement Brut) ho an’I Madagasikara ao anatin’ny telo taona manaraka,

araka ny antontan-kevitra ara-bola izay natao tovana amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Mila 6 941,1 miliara Ar ho an’ity taona diavintsika ity, ary miakatra ho 8 617,4 miliara Ar ny taona 2024 raha toa ka 9 980,1 miliara ny 2025, araka ny vinavinan’io Minisitera io. Ho an’ilay 6 941,1 miliara Ar ho an’ny 2023, mila famatsiam-bola 4 815 miliara Ar avy any ivelany isika, raha toa ka 2 126,1 miliara Ar kosa no ilaina avy amin’ny famatsiam-bola anatiny. Naroso tao anatin’izany fa isan’ny loharanom-bola manan-danja ny fanetsehana ny findramam-bola ara-pifanarahana momba ny fampandrosoana (prêts concessionnels et semi-concessionnels). Ny mpamatsy vola mahazatra no ambara fa mpiara-miombon’antoka tena manan-danja sy isan’ny tenaambara fa sitrahan’I Madagasikara. Noresahin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola ihany koa ireo rafitra ara-bola iraisam-pirenena, toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny BADEA na ny Banky Arabo momba ny fampandrosoana ara-toekarena, ny BAD na Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana, OFID (prêts concessionnels et semi-concessionnels), FIDA (Fond international pour le Développement Agricole). Ho an’ny fiombonan’antoka eo amin’ny samy firenena, isan’ny noresahina I Japon, France, Inde, ary Korea Atsimo,… Momba ny famatsiam-bola avy any ivelany hatrany, voaresaka ny fampiakarana ny fikatsahana famatsiam-bola “non concessionnels” sy “prêts commerciaux” amin’ireo banky ara-barotra, izay mety tsy azo hihodivirana. Raisin’ny Fanjakana ho tompondahiny ny naoty nomen’ny Standard and Poor’s tamin’ny aprily 2022 hananteana fisitrahana loharanom-bola iraisam-pirenena. Nambara fa isan’ny endrika famatsiam-bola anatiny ny Politikan’ny BTA (Bon du trésor par adjudication ), izay efa ampiasain’ny Fanjakana amin’izao. Manantena sy miantehitra hatrany amin’ny vola avy any ivelany ny Fanjakana Rajoelina. Lazaina fa mipetraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola, ary porofon’izany ny fihaonan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny Filoham-panjakana sy tompon’andraikitra samihafa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny tena zava-misy anefa, mailo amintsika ny iraisam-pirenena, manara-maso fatratra, tsy tena mamoaka bolongam-bola lehibe fa ireo pitipitiny sy famatsiam-bola ho an’ny lafiny mahaolona no tena mandeha. Tsy atokisana amin’ny fanjakana tsara tantana, anjakan’ny kolikoly, ratsy toerana amin’ny resaka fanajana ny demokrasia,… Hisy ve ny fahagagana ao anatin’izao 7 volana farany hitondran’ny Filoha Rajoelina izao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT