Politique

Famaritana ny tanin’ny oniversite Vonona hanome soson-kevitra ny MAFAMI


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Ny didim-pitsarana avy amin’ny fitsarana ihany no tokony hahafahana mandrava fananan’olona, hoy ny fampahatsiahivan’ny MAFAMI na ny fikambanan’ireo mpianatra eny ambaratonga ambony,

mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray, manoloana ny raharaha fandravana tamboho teny Ankatso notontosain’ny CROU-A ka nahatonga ny talen’ity sampana ity naiditra am-ponja vonjimaika. Miantso ny fanarahan-dalana eto amin’ny firenena hatrany ny MAFAMI, hoy izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miditra amin’ny didim-pitsarana nampiharina tamin’ny talen’ny CROU-A ny MAFAMI. Anjaran’ny fitsarana iny. Manana ny tiany ambara koa anefa ny MAFAMI dia ny hoe tokony hanara-dalàna daholo ny rehetra. Mety misy serasera tsy mandeha mikasika ilay fangatahana famaritana ny tanin’ny oniversite na “délimitation”. Ataovy mazava mba ho fantatry ny rehetra sy tsy hifanitsahan’ny andraikitra sahanin’ny oniversite sy ny CROU-A. Tsy mahalala ny CROU-A hoe ny trano ambony no azy fa lasa niaro ny tany izy. Mila paika sy fitsipika mazava ary mety lalana mihitsy izany. Vonona hanome sosonkevitra amin’izany ny MAFAMI raha ilaina ny fakan-kevitra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT