Politique

Famaritana ny atao hoe “mpanohitra” “Tsy hain’ny mpahay lalàna sasany”


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Sady ara-drariny no ara-dalàna ny maha ny Lehiben’ny mpanohitra an’i Marc Ravalomanana.

 Ny 41% tamin’ny mpifidy teto Madagasikara no nifidy azy, ary ankoatra ireo dia mbola nisy anay antoko politika 21, ka rehefa totaliana ny rehetra dia ataoko fa tena mihoatra be ny IRD izahay, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna Arlette Ramaroson, Sekretera Jeneralin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Ny mampalahelo amin’izy ity dia tsy azon’ny mpahay lalàna eto Madagasikara ny atao hoe mpanohitra, hoy izy. Io tsy handeha hanongam-panjakana fa kosa ho “contre-pouvoir”, izany hoe izay rehetra tsy mety dia azon’ny mpanohitra ahitsy ho amin’ny tokony ho izy. Afaka miady hevitra sy mifandahatra amin’ireo ao amin’ny governemanta hoe tsy mety izao ka mandray fanapahan-kevitra miaraka, hoy io mpahay lalàna io. Raha tsy misy ny mpanohitra dia tsy misy ny  demokrasia satria sady ara-drariny no ara-dalàna i Marc Ravalomanana, izay tsy manitsakitsaka ny lalàmpanorenana kanefa ny mpitondra manao izany. Tadiaviny tsy hiteny izahay, kanefa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna iraisam-pirenena dia samy milaza fa tokony hifandanja ireo, hoy io mpahay lalàna io. Tsy tokony hisy ny mizana tsindrian’ila fa miteny ny governemanta ary afaka miteny ihany koa izy ireo ary tokony homena ny zony, raha ny nambarany. Manana ambara betsaka ny mpanohitra satria raha ny resaka sosialim-bahoaka, ohatra, dia ao anatin’ny hamehana kanefa ny tetibola hamahana izany tsy misy, hoy hatrany Rtoa Arlette Ramaroson.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT