Politique

Famaritana ny atao hoe krizy Ilaina ampahatsiahivina ny mpitondra


  • Zoma 23 Septambra 2022

Tsy vao ny ambasadaoron’i Madagasikara atsy amin’ny nosy Maorisy no nilaza hoe tsy misy krizy eto, tsy ilaina ny fikaonan-doham-pirenena fa dia tena nitovy tsy nisy valaka tamin’io mihitsy koa ny fehezantenin’ny talen’ny serasera

eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Lova Ranoromaro, ny 8 septambra teo. Ireo moa no tena nanako indrindra fa saika namerimberina izany daholo ny ankamaroan’ireo tomponandraikitra ao anatin’ity fitondrana ity sy ny mpiaradia amin’ny fitondrana. Ilaina ampahatsiahivina ny mpitondra angamba ny famaritana ny atao hoe krizy. Mampametra-panontaniana mihitsy aza hoe sa tena tokony mbola hampianarina izany mihitsy ireo mpitondra antsika? Vao 2 andro lasa isika izay no namelabelatra teto fa miha ratsy ny rivotra politika eto Madagasikara. Ny mpitondra sy mpiaradia aminy mamerina hatrany ny hoe fifidianana no vahaolana ary izy ireo no maro an’isa tonga tamin’ny fakan-kevitra nataon’ny CENI farany teny amin’ny Novotel Ivandry raha toa ka tsy tonga kosa ny rodoben’ny mpanohitra na RMDM sy ny Panorama, izay samy mpanohitra. Setrin’izay dia tsy hita teny amin’ny IT Station Behoririka kosa ny mpitondra sy mpiaradia aminy raha nandeha ny dinik’asa iombonana notarihin’ny mpanohitra. Ny ivelan’ny fitondrana irery ihany no namaly ny antson’ny FFKM raha niantso fotoam-pivavahana ho an’ny firenena izy ireo. Te hampiseho miharihary, araka izany, ireo mpanao politika malagasy anaty fitondrana sy ivelan’ny fitondrana fa tsy te hifanaraka sy hitady izay hihavanana. Inona moa no azo iantsoana izany ankoatran’ny hoe “adilahy politika” na “krizy politika”? Efa naverina matetika teto ihany koa ireo ambaratongana fivoarana otrikady na “conflit” anaty fiarahamonina rehefa tsy voafehy izay miainga amin’ny atao hoe disadisa na “turbulence”, hoy ny teny frantsay. Rehefa tsy voafehy io dia lasa aditeny na “tension”. Io aditeny io avy eo ny mivadika adilahy na krizy ary rehefa tsy voafehy intsony io dia mipoaka toy ireny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009, izany hoe lasa ady atsanga na “conflit déclaré” ary tsy maintsy miafara amin’ny herisetra sy ra mandriaka hatrany. Izany hoe rehefa fehezina dia tsy filaminana anaty fiarahamonina ny krizy. Tsy milamina ankehitriny ny ara-tsosialy, toekarena ary ny efa mampanahy indrindra koa, dia io manomboka miseho lany io, dia ny lafiny politika izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT