Nikatona tanteraka omaly 01 jolay ny pejy ho an’ny depiote voafidy tamin’ny 2019,
ka amin’ny endriny vaovao indray ny firafitry ny antenimierampirenena, izay ny 09 jolay no hivory voalohany ireo depiote ankehitriny, izay ny talata faharoa taorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana araka ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana. Fotoanam-pamaranana roa sosona ny teny Tsimbazaza satria sady famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohany no sady famaranana ny fotoam-panaovana làlana 2019 – 2024 ihany koa. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana Atoa Jean Jacques Rabenirina, fa vita tamin’ny ampahany betsaka ny asa niandraketan’io andrim-panjakana io tao anatin’izay 5 taona izay. Na izany aza, nambarany fa tsy mora no niatrehan’ny antenimierampirenena iny fotoam-piasana 2019-2024 iny izay maro ireo olana nosedraina. 125 ireo volavolan-dalàna nodinihina, 53 ny tolo-dalàna, 2067 ny fanontaniana napetraka tamin’ny mpanatanteraka, ary nisy komity mpanadihady 11 no natsangana tamin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Nisy ihany koa ny fananganana rafitra nanao fanombanana ny politika ankampoben’ny Fanjakana. Mbola sahirana anefa ny Malagasy, mitotongana ny toekarena, tsy misy ny fandriampahalemana. Tombony lehibe ny fahavitan’ny "Plan stratégique de developpement 2022-2025" ary mila hatao vaindohan-draharaha hoan’ireo solombavambahoaka vaovao ny fandinihana ny "code d’éthique et de déontologie", raha ny fanamarihana nentin’io PAN mpisolo toerana io. Natao veloma ireo solombavambahoaka tsy tafaverina intsony, ary niarahaba sy nirary soa ireo depiote vaovao hiasa ao anatin’ny 5 taona vaovao moa ny tenany, izay anisan’ireo tafaverina ao Tsimbazaza. Na izany aza, nisy ny karazana tsindro-paingotra nataony mikasika ny fifidianana depiote farany teo, farany teo, izay naneho fa nitombona ny ahiahy mikasika ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka, nanaporofo izany ny fitoriana an’arivony tonga teny amin’ny HCC,… Tsara moa no mampahatsiahy, fa nahatratra 1529 ireo fitoriana tao anatin’iny fifidianana solombavambahoaka farany teo iny. "Aoka hahay haka lesona isika tompon’andraiktira rehetra eto Madagasikara mba ho tena tany tan-dalàna sy demokratika izay fototry ny fampandrosoana no tanteraka", hoy Atoa Jean Jacques Rabenirina. Mila hakana lesona, hoy izy, ireo lesoka rehetra tsy nety teto amin’ny firenena mba ho tena tany tandalàna i Madagasikara sy demokratika izay fototry ny fampandrosoana. Asa hanao indray ny ho fisehon’ny sary ao Tsimbazaza amin’ity 5 taona manaraka ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.