Politique

Famaranana ny fotoam-pivoriana teny Tsimbazaza Zara raha nisy depiote nanatrika


  • Talata 17 Aprily 2018

Nibodo tsy nety nanatrika ny fivoriana teny Tsimbazaza intsony ireo solombavambahoaka mpanohitra niisa 73 , tsy hita popoka ihany koa ny ankamaroan’ireo mpanohana ny fitondrana ka zara raha nisy depiote nanotrona ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 notontosaina omaly alatsinainy 16 aprily tolakandro tao amin’ny lapam-panjakana tao Tsimbazaza.

 

 Ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Rasolofonirina Xavier Beni no nisolontena ny praiministra Mahafaly Olivier teny an-toerana ary ny solontena ihany koa no nalefan’ny filohan’ny Antenimieran-doholona nanatrika izany. Volavolan-dalana niisa 15 no natolotry ny governemanta nodinihana tety amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra izay fivoriana tsy ara-potoana 4 nisesy natao izay, hoy ny filohan’ity rafim-panjakana ity, Rakotomamonjy Jean Max, ka anisan’izany ireo volavolam-dalana fehizoro 3 mikasika ny fifidianana. Somary henjakenjam-pitenenana ihany moa ity filohan’ny Antenimieram-pirenena ity tamin’ny kabary famaranana nataony tamin’ny filazana fa hoe : « Be ny resaka mandeha etsy sy eroa amin’ny fisian’ny feo mahery aelin’ny sasany,  nefa misy avo feo noho ny kotroka ve ?, hoy izy, fa tsy hahaleo ny varatra velively izy » sy ny hoe : « Tsy izay miakam-peo rehetra akory no manana ny marina ». Ary mba tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy, hoy ity filohan’ny Antenimieram-pirenena ity, dia tsara mba hampahafantarina etoana ny tena zava-nisy marina tety amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoam-pandaniana an’ireo volavolan-dalana fehizoro 3 mikasika ny fifidianana ireo izay ambara fa niainga tamin’ny fandihan’ny vaomiera izy io nandalo tamin’ny ady hevitra isan’andininy sy fandaniana izany vao nangalana fanapahan-kevitra nitambaram-be tamin’ny farany. Voarakitra an-tsary ato amin’ny Antenimieram-pirenena avokoa ny zava-niseho tamin’iny fotoana iny. Misaotra anareo namana depiote tsy nikely soroka tamin’ny fanatanterahana ny adidy natrehana tety Tsimbazaza. Aoka tsy ho variana amin’ny adim-bormailala isika nefa andin’ombalahy no atrehana. Amin’ny talata voalohany amin’ny volana mey indray isika mifankahita amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT