Politique

Famahana ny krizy Mbola sarotra ny asa miandry ny SADC


  • Zoma 30 Septambra 2011

Tsikaritra fa ho sahirana ihany ny SADC amin’ny fandaminana ny raharaha eto Madagasikara satria tsy mbola matotra ny mpanao politika Malagasy.

 Seza sy fahefana no mibahana ao an-tsain’ny ankamaroan’izy ireo, ary na ahoana na ahoana endrika tetezamita atsangana eo dia tsy maintsy hisy foana ireo himenomenona fa hoe : tsy nahazo seza, na tsy araka ny tokony ho izy no anjarany. Tapa-bolana izay no voasonia ny sori-dalana, saingy maizina tanteraka ny fampiharana azy. Mifanipaka ny fomba fijerin’ny mpanao politika ireo andininy maromaro voasoratra ao. Samihafa tanteraka ny eritreritr’ireo vondrona politika ny amin’ny fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, koa inona moa no hoe marimaritra iraisana amin’izany ? Ny mpanara-dia an’i Andry Rajoelina dia tsy mahalala praiminisitra afa tsy Camille Vital, izay raha ailika dia atahorana hanao ampamoaka angamba ! Ny ankolafy 3 manizingizina fa avy amin’izy ireo ny praiminisitra. Mba manantena hahazo io toeraa io koa ny “Autres sensibilités” sy ireo milaza azy fa “Centristes”.

Dia hiandry ny iraky ny SADC indray izany ny fandaminana ny resaka ka asa hoe ahoana ny fomba fiasa ahitana io marimaritra iraisana io, fa raha ny zava-misy hatramin’izao aloha dia sarotra ny fanapahana; ary tena mbola ho mafimafy kokoa ny adihevitra sy ady seza rehefa hiroso amin’ny fanendrena ireo minisitra. Ny efa ao anaty governemanta koa moa tsy te hiala, ny tsy ao anatiny mibosesika hiditra. Ny vondrona politika sasany dia efa nandroso hevitra hoe ataovy 48 ny isan’ny ministera dia mba samy mahatafiditra minisitra daholo ireo nanasonia.

Raha hiverenana kely ny tantara dia tamin’ny 9 martsa 2011 no natao rangopohy teny Ivato ny sori-dalana. Natsangana avy hatrany ny governemanta. Nambara fa amin’ny volana mey 2011 ny sonia. Avy eo indray hoe amin’ny faran’ny volana jona 2011. Nihemotra volana jolay, taty amin’ny volana septambra 2011 vao vita. Mbola maro be ireo adihevitra sy fandresen-dahatra, ary ankehitriny aza ny ankolafy Ratsiraka dia tsy mbola nety nanasonia io sori-dalana io. Midika izany fa tsy tokony hisy fananganana rafitra na fanovana governemanta ato ho ato, fa manasonia aloha io ankolafy iray io izay vao tena tafiditra ao ny maro an’isa. Hery politika tsy azo hamaivanina ny ankolafy Ratsiraka ary tena fahadisoan-kevitra ny fanilihana azy ka hieritreritra hoe hahavita zavatra. Mitohy hatrany, araka izany, ny asa fanelanelanan’ny SADC satria tsy mbola tafavoaka ny ala i Madagasikara fa tena ao anaty krizy tanteraka. Sonia no vita fa ny fanatanterahana azy mbola sarotra. Ary vao maika hanasaro-javatra ny fieboeboana sy fahatokisan-tenan’ny filohan’ny FAT, izay sady midongy kianja, no manonofy hitondra ny baolina samirery hatrany anaty harato, fa tsy hizara amin’ny mpilalao hafa mihitsy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT