Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.
Fositra tena mamotika ny firenena sy mampanjaka ny kolikoly io, saingy naman’ny vitavita ho azy. Raha handray ohatra akaiky amin’ny zava-misy atsy Afrika Atsimo isika dia resaka tsy mangarahara tamin’ny fitantanana volam-bahoaka nampiongana azy. Tsy misy indrafo na fanarontsaronana fa rehefa manao ny tsy mety dia mijinja ny nafafy. Voarohirohy amina vola tsy mazava 30 000Euros tamin’ny fifidianana ihany koa ny filoha ankehitriny Cyril Ramaphosa, izay ny mediatiora mihitsy no manenjika azy. Manomboka ratsy toerana, fa tsy mba vitavita ho azy tahaka ny aty amintsika. Tany Frantsa dia mbola mitatao ao amin’i Nicolas Sarkozy ny resaka famatsiam-bola Libianina. Ireny niaraha-nandre ireny ny fisiana volabe nampiasain’ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana filoha, izay naelin’ny haino aman-jery samihafa fa volabe 182 tapitrisa Euros no nampiasaina, ary ny mpanara-maso ny vondrona Eoropeanina izao no nilaza fa nizara vola ny kandida Rajoelina. Ny fahefana azo tamin’ireo fifidianana roa nifanesy, dia saika nanjakan’ny vola sy ny hosoka. Vitavita ho azy ireny, kanefa anisan’ny mason-tsivana hitarafana ny fandrosoan’ny firenena iray ny ady amin’ny kolikoly saingy ny an’i Madagasikara kosa lavitry ny kitay ny afo. Very toerana 68 isika nanomboka ny 2009-2018 satria laharana 84/180 no lasa 152. I Rwanda izay nireharehan’ny filoha ny fahatongavany teto dia faha-48 maneran-tany. Tsy atao mahagaga izany ho atsika satria miainga avy any ambony ny ohatra ratsy. Miteraka adihevitra goavana amin’izao fotoana izao ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny Bianco izay efa ny 2 jona no tany aminy ireo anarana telo hisafidianana. Tsy mety aminy sy tsy azon’ny filoha sy ny ekipany baikoana ve ka hitadiavana hirika hanendrena olon-kafa mihitsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.