Famadihana palitao tao Mahajanga

Nesorina tsy ho HVM i Dadilahy mpanolontsaina monisipaly


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Nanapa-kevitra ny antoko HVM tamin’ny alalan’ny Birao politika nasionaly fa manala tsy

ho mpikambana ao anatiny intsony ireo mpikambana namadika palitao tao Mahajanga, araka ny tatitra voarain'ny birao politika nasionaly avy amin'ny mpandrindram-paritry ny antoko ao Boeny ny 10 febroary 2025, momba ny fandikana ny fitsipika anatin'ny antoko nandritra ny fifidianana ny birao maharitry ny filankevim-pitantanan'ny kaominina ambonivohitr'i Mahajanga I. Araka ny fanambarana nataon’ny HVM omaly dia nesorina Atoa RASOLOFONIRINA Jean Michel José Andriamady (Dit Dadilahy). Noho izany dia, tsy afaka misolo tena sy maneho hevitra amin'ny anaran'ny antoko HVM izay notohanan'ny FIRAISANKINA izy amin'ireo sehetra politika izay andraisany fanapahan-kevitra. Ny antoko HVM dia mijoro hatrany amin'ireo fironan-kevitra politika nilofosany sy amin'ny maha mpanohitra azy mba ho fanajana ny etika politika manoloana ny fiatrehana ny raharaham-pirenena, hoy ny fanambarana. Tsiahivina fa nisy mpanolotsaina voafidy tamin'ny Antoko HVM tao Mahajanga nifidy ny filohan'ny filankevitra monosipaly natolotry ny IRMAR.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT