Famadihana palitao politika ao amin’ny CUA

Nitsimbadika any amin’i Harilala ny mpanolontsaina MG iray


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Manomboka misy fahavakisana sy fanehoana ofisialy ny fiarahana amin’ny ben’ny tanàna IRMAR eto

Antananarivo Renivohitra avy amin’ny mpanolontsaina lany tamin’ny Vondrona hafa nitononona ho mpanohitra. « Eny tompoko, efa hatry ela izahay mianadahy no mpinamana, nampandany azy aho tamin’ny fifidianana ben'ny tanana 2015. Nanampy ahy izy tamin’ny fifidianana nilatsahako solombavambahoaka ny taona 2018. », hoy i Mahery Miller mpanolontsaina Monisipaky lany tamin’ny MG na « Mouvement Gasikara » ny sabotsy teo. Nilaza ity farany fa lolohaviny an-tampon’ny loha ny Fihavanana sy ny Soatoavina maha Malagasy ka na hanao « ironie » na hanompa na hialona na hankahala ahy ianao,… dia zay no zava-misy ary tsy misy nafeniko izany, ary hiara hiasa aminy ankitsipo aho ary fampandrosoana no tanjona, hoy ity mpanolontsaina monisipaly ity. Andaniny, namoaka fanambarana avy hatrany ny MG tamin’ny alalan’ny Filohany Gascar Fenosoa, fa ny fanehoan-kevitr'i Mahery Miller mahakasika safidy politikany eo anivon'ny Kaominin' Antananarivo Renivohitra dia azy irery ary heverina fa amin'ny maha Filohan'ny Antoko Ilo Mada azy fa tsy misy hifandraisany velively amin'ny MG sy ny foto- kevitra hijoron'ny vovonana. Amin'ny maha vondron’antoko politika ny vovonana MG dia tsy azo ferana hanana ny safidiny manokana ny olona sy antoko tsirairay. Noho izany, izay mety fironana na fanapahan-kevitry ny antoko « Ilo Mada » dia ambara fa tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny «Mouvement Gasikara» izay mijoro mazava ho hery fahatelo manoloana ny fiainana politika eto amin'ny firenena, hoy i Gasikara Fenosoa. Nomarihina fa manana fitsipika anatiny mifehy azy ny MG. Noho izany, tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra raisina mifandraika amin'io toe-javatra misy eo anivon'ny vovonana io mba hanajana hatrany ny etika politika araka ny fomba fanaovana politika vaovao hijoroan'ny MG, hoy hatrany ny fanambarana. Tsara ny mampahatsiahy fa isan’ny naneho voalohany i Gascar Fenosoa taorian’ny fifidianana PCM teo anivon’ny Kaominina hoe : iza no manao « deal » amin’izay ary iza no manao « mission » ho an’iza saingy io aloha izany ny sary iray naneho fa ny olona avy tao aminy no isan’ny namadika ny fifampiresahan’ny samy mpanohitra. I Mahery Miller izay marihina fa mpandrindra ny MG eto Analamanga. Hiroso amin’ny dingana fanesorana tsy ho mpanolontsaina monisipaly na « destitution » ho an’i Mahery Miller ve izany ny MG ? Hahita rariny ? Raha mandeha ny fifandresen-dahatra sy fifampiresahana politika mikasika ireo fitsinjarana kaomisionina ao amin’ny CUA dia efa mandeha ny feo fa homena toerana Filohana kaomisionina iray i Mahery Miller.

Hiatrika fivoriana mandritra ny 3 andro ny Filankevitra Monisipaly manomboka anio, handinihana ny rafitra (Organigramme), fanomezam-pahefana (Délégation de pouvoirs), fitsipika anatiny (Règlement Intérieur), ka andrasana indray ny sary mety hitranga.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT