Mandeha ny teti-dratsy samihafa hanaovana
fandemena ny Fitondrana tarihin’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael izay tsapa ny fananany finiavana hanova sy hitondra rivo-baovao ho an’ny Firenena. Manomboka misoko ihany koa anefa ny teti-dratsy ara-politika baikon’ny vola sy ny tombotsoa, ny fijapiana ny tolom-bahoaka nampian’ny tafika,… Ankehitriny, mafampana ao amin’ny Antenimierampirenena, mitsimbadimbadika ny toe-draharaha noho ny kajikajy politika, ny fiarovan-tseza, ny fitiavan-tseza,… Tsy misy fahamarinan-toerana intsony, ka raha 130 tamin’ny 131 tonga nifidy no nandany ny fanonganana an’i Andry Rajoelina folo andro lasa teo, ary 94 nandany an’i Siteny Randrianasoloniako ho filohan’io andrim-panjakana io taorian’ny fandravana ny Birao maharitra, dia miovaova ny fifandanjan-kery amin’izao, tsy nety tanteraka mandrak’ity ny androany ny fifidianana birao maharitra. Raha ny sary tao anatin’ireo latsa-bato roa ireo, dia niova sy nitsimbadika tanteraka ny fironana na « tendance » sy ny maro an’isa na « majorité » tao Tsimbazaza. Inona ny fifanarahana tao Tsimbazaza tao anatin’izany ary inona no nahatonga ny fitsimbadihana indray ? Omaly mantsy, nanangatra indray ny IRMAR nilaza fa mbola manana ny maro an’isa miisa 106 raha 21 monja ny Firaisankina, raha ny taratasy nataon’ireo. Nambara fa tsy mbola taratasy ara-dalàna voaray milaza fisintahana tsy ho IRMAR, ka misy depiote 85 miala aminy vao azo lazaina ho tsy manana ny maro an’isa. Milaza ho tsy voahaja ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenena mikasika ny hoe : ny vondrona parlemantera maro an’isa no manolotra ny anaran’ny Praiminisitra,… Iza izany no tompon’ny maro an’isa amin’izao ? Mbola taratry ny safidim-bahoaka ve ny antenimierampirenena ankehitriny indrindra taorian’ny firodanan’ny Fanjakana Rajoelina ? Dia misafotofoto eo ny toe-draharaha, samy manana ny kajikajy politikany ao Tsimbazaza. Asa izay fahamarinan’ny resaka misy manao « capture » niparitaka nanomboka omaly hariva amin’ny miresaka mpanao politika misy miahiahy hoe : handray vola any ivelany, avy amin’ireo matanjaka tao anatin’ny fitondrana teo aloha hamatsiana mba hanakorontanana ny tanora mba hametrahan’izy ireo ny olona mifanaraka aminy ao anatin’ny Fitondrana ?
IZAO VE ILAY TOLONA NIMATIMATESANA?
Ny ahiahy tsy hihavanana, ary tsy finiavana hiresaka zavatra miiba ! Eny tsy voatery ho marina, saingy tsy voatery ho diso, fa ny sary mitranga dia tena maneho fa mandeha ny kajikajy politika maloto samihafa miodinkodina ao anatin’izao toe-draharaha izao. Tsy tongatonga ho azy ny safotofoto ao Tsimbazaza, ny fitsimbadimbadihana mandeha,… Nampiady hevitra ny raharaha fanendrena ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, fa dia hoe noho ny fitokisana ny Filoham-panjakana sy ny fanomezan-tokin’ny Lehiben’ny governemanta, dia manaiky ny ankamaroan’ny olom-pirenena, saingy tsy omen-tsiny ihany koa ireo mametraka miahiahy. Nifamahofaho ny pitsopitsony nentina nanolotra anarana, ka nisy ireo depiote nijoro sy nilaza avy eo tsy nahafantatra sy tsy nakana hevitra, tao ny resaka « signature blanc »,… tsy dia tao anatin’ny fangaraharana. Na hatrany amin’ny resaka governemanta aza amin’izao fotoana izao dia manomboka mivoaka ny resaka amin’ny fisiana andiana mpanao politika miketrika mafy an’izany ho an’ny tombotsoany, hanaovana bizina,.... Tena izay ve ilay tolona namonoan’ny tanora sy ny vahoaka tena ? Izao ve ilay fanovana notadiavina ? Tena malalaka ve ny Filoham-panjakana sy ny ekipany ao anatin’ny safidy sy làlan-tsaina hitondrana ny Firenena sa misy olona na vondron’olona na vondrona mpanao politika na vondrona ara-toekarena te hifehy sy misavika na manodina ny tolom-bahoaka? Mbola mety ve ny mitazona ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona ankehitriny ? Sao mba homena fahefana feno ny miaramila hametraka izay lamina tena hitany fa mety ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.