Politique

Faly Ramakavelo «Ny fitiavan-tanindrazana no tokony mason-tsivana mihoatra lavitra…»


  • Talata 20 Jona 2023

Tsy tokony ho mason-tsivana takiana hirotsahana ho filoham-pirenena ny fizakana zom-pirenena hafa, hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny stratejia sy fitantanana sady mpitantana sekoly ambony,

Faly Ramakavelo. Voalazan'ny lalàmpanorenana, hoy izy, fa rehefa mizaka ny zom-pirenena malagasy dia afaka mirotsaka ho fidiana filoham-pirenena daholo. Ny fitiavan-Tanindrazana, ny fahendrena, ny fahaizana mamoaka ny firenena amin'ny ady amin'ny fahantrana no zava-dehibe ary tokony mason-tsivana mihoatra lavitra noho ny adihevitra momba ny fizakana zom-pirenena. Misy eran-tany ny mizaka zom-pirenena hafa saingy afaka nampandroso ny fireneny. Barack Obama izao afrikanina fa lasa filoha amerikanina. Ny praiminisitra britanika ihany koa dia indianina fa tsy ny fizakana zom-pirenena hafa mihitsy no hamafa ny tena zom-pireneny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT