Akaiky indray ny fifidianana, dia mandeha ny resaka fampanantenana
ho an’Antananarivo ataon’ny Fitondrana ankehitriny. Nandritra ny fanolorana fitaovana ho an’ny kaominina nataon’ny Japone omaly, nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa betsaka ny olana sedraina, mitombo ny fako rehefa fotoana betsaka ny vokatra. Ny mpitondra, hoy izy, dia natao hitondra vahaolana, ary tsy misy fialana olana atao, fa andraikitra. Fanamby apetraka amin’ny PDS sy ny mpiara-miasa, dia ao anatin’ny herinandro na 10 andro farafahaelany dia madio ny tanàna, hoy Atoa Andry Rajoelina. Nambara fa ny fahazoana ny fitaovana avy amin’ny Japone, dia hanampy avo 3 heny ny fahafahan’ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) mandraoka ny fako sy manary azy any amin’ny toeram-panariana. Hametrahana GPS ny kamio hamantarana hoe : firy kilaometatra ny vitany, hisy fanaraha-maso hentitra. Tsara ny PDS mametraka laharana maitso mba hahazoan’ny olona miantso. Tsy ekena intsony ny fako mandritra ny herinandro tsy voaraoka, fa rehefa misy miantso dia manome valiny sy fotoana mazava hoe : ho avy izahay, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Nampanantena fa tsy maintsy ho tafapetraka amin’ity taona ity ny toerana hanodina ny fako ho lasa angovo, hanodinana azy hatao zezika. Nambara fa efa misy làlam-bola sy làlan-tsaina hoenti-manafaingana an’izany, ary hisy tetibola hatokana ho an’ny kaominina Antananarivo. Nanome toky fa hanome tànana : lalan-kely, toeram-pitsaboana,… Nahoana no efa akaiky fifidianana tahaka izao vao mandeha indray ny serasera sy ny fampanantenana samihafa ? Nahoana no ny Japone no manome fitaovana vao misy vahaolana ? Taiza ny Fanjakana foibe hatramin’izay volana maro mba tsy hilazana fa an-taonany nahamaimbo sy naha difotry ny fako ny tanàna izay sa niniana natao tahaka izao dia avy eo hoe : io izahay fa miasa sy manadio tanàna satria akaiky ny fifidianan ? Raha hiverenana, tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany, dia Atoa Andry Rajoelina mihitsy no niditra an-tsehatra nanakiana mafy ny fitondran-dRtoa Lalao Ravalomanana fa maimbo ny tanàna, ka nanome toromarika an-kolaka hifidianana ny kandidan’ny volomboasary. Novoizin’ny mpitondra tamin’izany fa aleo mifidy ben’ny tanàna mitovy loko amin’ny fitondrana. Nandeha ny fampanantenana fanohanana ara-bola 11 miliara Ar isan-taona ny kaominina tamin’izany ary io indray fa misy fampanantenana resa-bola,… Dia nanao ahoana Antananarivo tao anatin’ny 4 taona ? Moa tsy voasokajin’ny gazety Forbes ho tanàna maloto indrindra aty Afrika sy fahatelo maneran-tany ? Akaiky ny fifidianana dia hanao ririnin-dasa tsy tsaroana indray ? Tsara ny mandray andraikitra hanadio ny tanàna amin’izao saingy tsikaritra ho vonjy tavandro hanenjehana fifidianana ihany !?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.