FAKAN-KEVITRA

MOMBA NY FIFIDIANANA


  • Alatsinainy 07 Septambra 2026

Antoko politika 2 no nangataka ny

mba hirosoana amin’ny fifidianana
Antoko politika miisa 2 hatreto no fantatra fa nangataka ny mba hirosoana amin’ny fifidianana hisorohana ny teteza-mihitatra hatramin’ny nisian’ny fakan-kevitra nokarakarain’ny fitondrana fanavaozana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha nanomboka ny Alarobia 02 Septambra lasa teo. Anisan’izany ny antoko FA.FI.FI.VO na ny Fampivondronambe, Firaisankinambe, Fioarovana Voka-bita tarihin’ny filoha nasionaliny Marc Tatandraza. Nambaran’ity farany nandritra ny tatitra nataony fa antony nangatahany ny tokony hanaovana ny fifidianana ny hialan’ny vahoaka anaty fahasahiranana lalina izay lasa hararaotin’ny sasany mihitsy ankehitriny. Vonona amin’ny fiatrehana izany izahay hoy Marc Tatandraza raha toa ka sitraky ny Fitondrana Fanavaozana, tarihin’ny kolonely Randrianirina Michael ary efa manana olona hatolotra. Notsiahiviny hatrany moa fa izy no filohan’ny fikambanana bandeau rouge sady filoha nasionalin’ny FAFIFIVO izay efa miparitaka manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Anisan’ny nangataka ny hanaovana izany antoko FAFIFIVO tarihin’i Marc Tatandraza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT