Fakan-kevitra ara-pifidianana

Niaka-dapa ny ekipan-dRajoelina


  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nitohy omaly tolakandro teny

amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny "Dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana" izay nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ireo vahiny nasainy hisehatra amin’izany. Telo tonta ireo Vondrona politika sy Fikambanana noraisin’ny Filoham-panjakana ho an’ny omaly, ka nifampiresaka sy nanolotra soso-kevitra mifandraika amin’izany dinika izany ny: Vondrona IRMAR, Mouvement Gasikara ary Vondrona SIAP. Hita sy voaporofo mazava tamin’ny fanasan’ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël ireo mpitarika ny Vondrona IRMAR, izay avy amin’ny fanoherana, ny finiavany hampivelatra ho tsimialonjafy sy andraisan’ny rehetra anjara (inclusivité) an’ity "dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana" ity, raha ny fanamarihan’ny fiadidian’ny Repoblika. Nisolo tena ny IRMAR tao anatin’io moa ireo depiote volomboasary nahitana an-dry Milavonjy Philobert, Haja Resampa, Imbiky Herilaza, Mara Donah, Haingo Nambinina, ny depiote niongana Rahantanirina Lalao na Ninah,… Nandray anjara mavitrika ny rehetra ary samy nanolotra fehin-kevitra hikatsahana fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra, araka ny tatitra ofisialy. Tonga mavitrika ihany koa nanatrika izao dinika izao ireo solontenan’ny Vondrona iraisampirenena (Système des Nations Unies, Vondrona Afrikanina ary SADC), raha ny fampitam-baovao ofisialy. Amin’ny endriny ivelany izany, dia taratr’ilay hoe fandraisan’ny rehetra anjara araka ny toromariky ny Vondrona Iraisam-pirenena ny endriky ny fihaonana sy fakan-kevitra. Asa ho tonga any amin’ny mety ho fifanarahana politika na « Accord politique » ve any aoriana ? Andaniny, raha maneho ny fisokafana ny Fanjakana, dia mbola tsapa sy tsikaritra ny fanehoan-kevitra mahery vaika ataon’ny olom-pirenena manoloana ny fahitana ireo olon’ny fitondrana teo aloha. Asa hanao ahoana ny ho fizotry ny fikaonandoham-pirenena sy ny zavatra ho tapaka ao anatin’izany izay hamoahana ny lamina vaovao hitondrana ny Firenena : lalàmpanorenana, fifidianana, rafitra,… Raha nafana tany aloha ny fanehoan-kevitra mahery nataon’ny mpanao politika sasany toy ny hoe : « tsy mifampidinika amin’ny mpamono olona » ary vao afak’omaly no nohelohin’ny Fitsarana higadra 10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina ny Jeneraly misotro ronona Ravalomanana Richard noho ny raharaha famonoana sy famoretana vahoaka ny septambra-oktobra 2025, dia mivoatra ny toe-draharaha sy ny fifampidinihana politika, mikasika ny zotra makany amin’ny fifidianana. Asa inona no arofanina tsy hisian’ny fanjakan-jiolahy intsony eto Madagasikara?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT