Fahoriam-bahoaka

Manaitra sy miantso fandraisana andraikitra ny FJKM


  • Zoma 25 Oktobra 2024

taorian’ny Vaomieran’ny Eveka katolika momba ny fahamarinana sy ny fiadanana na ny « justice et paix », namoaka ny fanambarana

mikasika ny raharaham-piangonana, fa nanome toromarika ny mpino mikasika ny raharaham-pirenena indrindra ny fifidianana ihany koa ny Mpiandraikitra Foibe eo anivon’ny FJKM tarihin’ny Filohany IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, rehefa nivory teny Ampandrana ny 16-23 oktobra 2024 lasa teo. Mikasika ny raharaham-pirenena, « taomina isika, hitandro mandrakariva ny fihavanana, na dia eo aza ny tsy fitoviam-pijery, indrindra manoloana ny fifidianana izay ho ben'ny tanana. Manamafy ny FJKM, fa tsy manaiky mihitsy ny fanambadian'ny mitovy fananahana. Manaitra ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana manoloana ny herisetra miantraika amin'ny vahoaka, indrindra fa any amin'ny tontolo ambanivohitra. Miantso ny fitondram-panjakana hijery sy hitondra vahaolana manoloana ny olana ara-tsosialy mianjady amin'ny vahoaka Malagasy (jiro, rano, fiakaran'ny vidim-piainana...) », hoy ny ampahan’ny fanambarana. Tsiahivina fa isan’ny nanentanan’ny Filohan’ny FJKM ny mpino tany aloha ny fandrisihana ny kristianina handray andraikitra amin’ny fifidianana satria rehefa tsy mandray izany dia ny olona tsara dia ny ratsy no haka toerana. Tsy adinon’ny FJKM ihany koa ny nitaona ny olom-boafidy, mba hanao ho laharam-pahamehana ny tombontsoan'ny vahoaka, mialoha ny tombontsoa manokana. Mikasika ny raharaha anatin’ny FJKM kosa, betsaka ireo dingana samihafa, fa mbola betsaka ihany koa no miandry. Mitaona ny Kristianina FJKM ny Mpiandraikitra Foibe manoloana ny fifidianana tomponandraikitra hafa ao anatiny mbola ho avy, mba hiaro mandrakariva ny firaisan'ny Fiangonana tsy ho simba ny FJKM,… Teo amin’ny asa, tamin'ireo sekoly 111 nokasaina haorina mandrita izao fe-potoam-piasana (2021-2025) izao dia 108 my sekoly niorina hatreto, saingy mbola betsaka ny adidy. Efa miasa sy misokatra ny SeFaMpa (Sekoly Fanomanana Mpampianatra) any Imerimandroso (SP 05) sy any Fihaonana (SP 35),… Tsara, ary tena tsy mena-mitaha ny voka-panadinan'ny Sekoly FJKM manerana ny Nosy, koa hitaoman’ny FJKM hatrany hampianatra ny zanaky ny Fiangonana amin’izy ireny,… Efa nitondra hafatra firarian-tsoa ho an’ny krismasy moa ny Mpiandraikitra Foibe FJKM tao anatin’io hafatra sy fehin-kevitra io.
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT