Fahombiazan'ny diplaomasia

Manamafy ny fisiany i Madagasikara


  • Talata 22 Septambra 2026

Efa any New York ny ampahany

amin'ny delegasiona malagasy ho fanomanana ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fivoriambe ara-potoana faha-81-n'ny Firenena Mikambana, izay voalahatra hatao ny 22–28 Septambra 2026. Eo ambany fitarihan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Alice N’Diaye, ity delegasiona malagasy ity ary tohanan'ny Solontena Maharitry ny Repoblikan'i Madagasikara ao amin'ny Firenena Mikambana, Ramatoa Lanto Rahajarizafy, sy ny Masoivohon'i Madagasikara any Washington, Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, ary ireo mpikambana ao amin'ny ekipa diplaomatika sy teknika natsangana manokana ho an'ity hetsika lehibe ity.
MANOKATRA LALANA
Izao dia any New York izany dia manokatra lalana, indrindra fa ho an'ny fahatongavan'ny Filohan'ny Fanarenana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Michaël Randrianirina, sy ny fandraisany anjara feno amin'ny fizotran'ny Fivoriambe faha-81-n'ny Firenena Mikambana. Maneho ihany koa ny fahavononan'i Madagasikara hanamafy ny fisiany sy ny fandraisany anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, taorian'ny taona maro izay tsy dia nisy firy ny asa diplaomatika tao amin'io foibe lehiben'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena io. Handray anjara amin'ny fivoriana avo lenta, fihaonana, ary hetsika samihafa mifandraika amin'izany ny delegasiona malagasy, ma andritra ity herinandro ity, indrindra ireo mahakasika ireo minisitera isan-tsokajiny. Ho fotoana iray hanamafisana ny fahitana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy hanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy ihany koa izany fandraisana anjara izany.
Jean D.
Ampahany amin'ny delegasiona Malagasy ireo fihaonana samihafa hatrehin'ny Kolonely Randrianirina Michaël
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Vovonana VMFR
  • Zoma 18 Septambra 2026

Apetraho ny fifanarahana politika eken'ny rehetra

Hijery ny tohiny
FTT