Fahefana ara-bola, fahefam-pitsarana, fahefana ara-tafika

“Lasa fanjakana tsy refesi-mandidy no ifanolosoloana eto”


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Amin’ny maha olom-pirenena ny tena, hoy ny mpandala fomban-drazana sady filohan’ny fikambanamben’ireo

mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo, dia mampahatsiahy ny mpanao politika rehetra aho, indrindra fa ao anatin’izao adihevitra manodidina ny fifidianana ho atrehintsika izao fa tsy maintsy hisy ny fifidianana na ho ela na ho haingana. Tsy hisy olona andeha hipetraka eo tsy ho fidiana izany, hoy izy. Tsy maintsy ny 1 amin’ireo 13 isa voafantina ireo raha tsy hoe angaha ka hisy zavatra ho foanana mihitsy toy ny hoe foanana hatramin’ny filatsahan-kofidiana, ohatra. Izay indray no tsy fantatro. Tokony ho ny tena adihevitra no ifantohana dia ny hoe naninona ity nosintsika ity nandritra izay nolazaina hoe niverenan’ny fahaleovantena nandritry ny taona maro izay no mbola izao no zava-misy amintsika? Hatraiza no hisian’izany atao hoe fandrosoana izany izao eto? Tsy hisy afaka hiala na ireo efa nifanolosolo tamin’ny fitondrana, na ireo manam-pahaizana, avara-pianarana isan-karazany, eny, na izahay olon-tsotra sy raiamandreny ara-drazana aza! Tsy hisy afa-miala eto satria samy tokony hanana ny andraikiny tandrify avy eto anivon’ny firenena. Tsy rafitra mifanandrify amin’ity tany Madagasikara ity no iainana eto matoa tsy tanteraka ny fampandrosoana. Rafitra mametraka fahefana mpanjaka ve no eto sa rafitra mametraka ny tena hoe fahefam-bahoaka na repoblika izany tokoa? Ny mpahazo fahefana dia manjakazaka be amin’ny resaka fahazoana vola, fahefam-pitsarana, fahefana ara-tafika. Lasa fanjakana tsy refesi-mandidy no ifanolosoloana eto. Miangavy sy miantso aho, aza entina ho any amin’ny fifandroritana ka hiantsoana vazaha indray handamina antsika eto, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT